Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.

Daty
Alarobia 16 September 2026

Rehefa avy nanondro ireo mpampianatra sandoka ho mpanompon'i Satana (2 Kor. 11:1-15) i Paoly, dia "nanao araka" ny fanaon'izy ireo ka nanao fireharehana kely toy ny adala (2 Kor. 11:16-21) mba hahitan'ireo Korintianina fa fahadalana ny fihainoana ny lahatenin'ireo mpampianatra sandoka. Raha toa ireo Korintianina nanaja ireny, dia mendrika ny hohajain'izy ireo lavitra i Paoly. Ny fahoriana niaretany noho ny filazantsara no maneho fa mpanompon'i Kristy mahatoky izy (2 Kor. 11:22, 23).

Vakio ny 2 Kor. 11:22-28. Inona ny hevitra tiany havohitra eto?

Jiosy tahaka an'ireo mpampianatra sandoka ihany i Paoly (2 Kor. 11:22), saingy ny fanompoany an'i Kristy dia mihoatra noho ny azy ireo (2 Kor. 11:23). "Mpanompon'i Kristy va izy?" hoy izy, ary ny valiny dia hoe: "mihoatra noho izy aho." Be lavitra noho ny azy ireo ny asa mafy nataony, nampidirana am-ponja imbetsaka lavitra izy, ary nokapohina mafimafy kokoa noho izy ireo.

Tsy izany ihany anefa, fa anisan'ireo fijaliana niaretany ny fikapohana in-tsivy amby telopolo (2 Kor. 11:24), ny fikapohana tamin'ny hazo, ny fitoraham-bato, ny vaky sambo, ny fiatrehana loza tany amin'ny rano lalina (2 Kor. 11:25) sy tany am-pandehanana ary tany amin'ny ony, saika nahita loza tamin'ny jiolahy izy, saika nahita loza tamin'ny Jentilisa sy tany amin'ireo tanana be mponina, saika nahita loza tany an'efitra sy tany an-dranomasina ary teo amin'ireo mpino sandoka izy (2 Kor. 11:26). Teo koa ny fisasarany sy ny fikelezany aina, ny tsi-fahitany tory matetika, ny hanoanana sy ny hetaheta, ny fifadian-kanina matetika, ary ny hatsiaka sy ny fitanjahana (2 Kor. 11:27). Ary toy ny hoe tsy mbola ampy ireo ka tsy maintsy nianjadian'ny tebitebin-tsaina izy noho ny fanahiany lalina ny amin'ny fiangonana (2 Kor. 11:28).

Izay tena mpanompon'i Kristy marina ihany no vonona hiari-pahoriana toy izany noho ny amin'ny filazantsara. Raha tena nirehareha ny amin'ireo fijaliana niaretany i Paoly dia ho maro tokoa no azony nolazaina. Kanefa ny ampahany manaraka amin'ny epistily dia maneho ny anton'ny fireharehany, izay tsy miorina amin'ny asa nataony ho an'i Kristy fa amin'izay efa nataon'i Kristy ho azy. Fantatr'i Paoly fa miseho mazava kokoa ny herin'Andriamanitra ao amin'ny fahalemen'olombelona (2 Kor. 12:9, 10). Ny nanasian'Andriamanitra tsilo tamin'ny nofony (2 Kor. 12:7) dia fiarovana azy tsy hirehareha noho ny amin'ireo zava-bitany. Izany no nihazona azy hanetry tena, hahatsapa ny fahalemeny, hiantehitra amin'ny herin'Andriamanitra, ary nahatonga azy ho afaka handray bebe kokoa ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny indrafony.

Efa niari-pahoriana noho ny amin'ny filazantsara koa ve ianao? Inona ny lesona no -tsoahinao avy amin'izany fanandramana izany? Ahoana no anampian'ny fomba niatrehan'l Paoly ny fahoriany anao manoloana ny fijallanao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal