Rehefa avy nanondro ireo mpampianatra sandoka ho mpanompon'i Satana (2 Kor. 11:1-15) i Paoly, dia "nanao araka" ny fanaon'izy ireo ka nanao fireharehana kely toy ny adala (2 Kor. 11:16-21) mba hahitan'ireo Korintianina fa fahadalana ny fihainoana ny lahatenin'ireo mpampianatra sandoka. Raha toa ireo Korintianina nanaja ireny, dia mendrika ny hohajain'izy ireo lavitra i Paoly. Ny fahoriana niaretany noho ny filazantsara no maneho fa mpanompon'i Kristy mahatoky izy (2 Kor. 11:22, 23).
Vakio ny 2 Kor. 11:22-28. Inona ny hevitra tiany havohitra eto?
Jiosy tahaka an'ireo mpampianatra sandoka ihany i Paoly (2 Kor. 11:22), saingy ny fanompoany an'i Kristy dia mihoatra noho ny azy ireo (2 Kor. 11:23). "Mpanompon'i Kristy va izy?" hoy izy, ary ny valiny dia hoe: "mihoatra noho izy aho." Be lavitra noho ny azy ireo ny asa mafy nataony, nampidirana am-ponja imbetsaka lavitra izy, ary nokapohina mafimafy kokoa noho izy ireo.
Tsy izany ihany anefa, fa anisan'ireo fijaliana niaretany ny fikapohana in-tsivy amby telopolo (2 Kor. 11:24), ny fikapohana tamin'ny hazo, ny fitoraham-bato, ny vaky sambo, ny fiatrehana loza tany amin'ny rano lalina (2 Kor. 11:25) sy tany am-pandehanana ary tany amin'ny ony, saika nahita loza tamin'ny jiolahy izy, saika nahita loza tamin'ny Jentilisa sy tany amin'ireo tanana be mponina, saika nahita loza tany an'efitra sy tany an-dranomasina ary teo amin'ireo mpino sandoka izy (2 Kor. 11:26). Teo koa ny fisasarany sy ny fikelezany aina, ny tsi-fahitany tory matetika, ny hanoanana sy ny hetaheta, ny fifadian-kanina matetika, ary ny hatsiaka sy ny fitanjahana (2 Kor. 11:27). Ary toy ny hoe tsy mbola ampy ireo ka tsy maintsy nianjadian'ny tebitebin-tsaina izy noho ny fanahiany lalina ny amin'ny fiangonana (2 Kor. 11:28).
Izay tena mpanompon'i Kristy marina ihany no vonona hiari-pahoriana toy izany noho ny amin'ny filazantsara. Raha tena nirehareha ny amin'ireo fijaliana niaretany i Paoly dia ho maro tokoa no azony nolazaina. Kanefa ny ampahany manaraka amin'ny epistily dia maneho ny anton'ny fireharehany, izay tsy miorina amin'ny asa nataony ho an'i Kristy fa amin'izay efa nataon'i Kristy ho azy. Fantatr'i Paoly fa miseho mazava kokoa ny herin'Andriamanitra ao amin'ny fahalemen'olombelona (2 Kor. 12:9, 10). Ny nanasian'Andriamanitra tsilo tamin'ny nofony (2 Kor. 12:7) dia fiarovana azy tsy hirehareha noho ny amin'ireo zava-bitany. Izany no nihazona azy hanetry tena, hahatsapa ny fahalemeny, hiantehitra amin'ny herin'Andriamanitra, ary nahatonga azy ho afaka handray bebe kokoa ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny indrafony.
Efa niari-pahoriana noho ny amin'ny filazantsara koa ve ianao? Inona ny lesona no -tsoahinao avy amin'izany fanandramana izany? Ahoana no anampian'ny fomba niatrehan'l Paoly ny fahoriany anao manoloana ny fijallanao?