Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Antsoina mba hampiorina ny rariny.

Daty
Alarobia 19 March 2025

Manasongadina mandrakariva ny antson’Andriamanitra ho amin'ny fampanjakana ny rariny eo amin'ny fiarahamonina ireo mpaminany ao amin'ny Soratra Masina. Averimberin'ny Baiboly ny firesahana momba ireo olana mahakasika ny tsy rariny sy ny fampahoriana ny hafa. Ny antso mba hiavian'ny fitsaran'Andriamanitra aza dia antso mba hampiorenany ny rariny.

Ny mpaminany Isaia, ohatra, dia tsy mitsitsy fitenenana manoloana ny tsy rariny teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany. Tokony hipaka aty an-tsofintsika ankehitriny ny teny mazava nataony sy ny antsony ny mba hampanjakana ny rariny: "Mianara hanao ny tsara, diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena." - Isa. 1:17. Ho fanampin'izany, dia izao no ambarany: "Loza ho an'izay mamoaka fitsarana tsy marina" sy "manendaka ny rariny amin'izay ory Isa. 10:1,2 (dikanteny Baiboly katolika). Izao no fampitandremana atao: "Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?" - Isa. 10:3.

Tahaka izany koa, ny mpaminany Jeremia dia nanambara hafatra avy amin'Andriamanitra toy izao: "Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany (...) Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy. Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehôvah ." - Jer. 22:13, 15, 16.

Vakio ny Mat. 23:23-30. Inona ny lesona omen'i Jesôsy eto momba izay manan-danja indrindra? Araka ny hevitrao, inona no tiany hambara amin'ny hoe "Izay lehibe amin'ny lalana"?

Raha misy mihevitra fa ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha ihany no sarotiny manoloana ny tsy rariny, dia aseho antsika mazava eto fa nahasarotiny indrindra an'i Kristy koa izany nandritra ny fotoam-piasany teto an-tany. Hoy Izy: "Lozanareo, mpanora-dalána sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalana, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana." - Mat. 23:23. Ao amin'ny andalan-teny mifandraika amin'izany ao amin'ny filazantsaran'i Lioka, no ilazan'i Jesôsy amin'alahelo hoe: "lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra" - Lio. 11:42.

Raha asaina mifantoka amin "Izay lehibe amin'ny lalàna" ianao anio, dia toy ny ahoana izany raha oharina amin'ny "fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina" izay mety hifantohantsika eo amin'ny toerany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal