Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Tia ny rariny Andriamanitra.

Daty
Talata 18 March 2025

Ambaran'ny Soratra Masina fa tia ny rariny Andriamanitra ary mankahala ny ratsy (jereo ohatra ny Sal. 33:5 sy ny Isa. 61:8), ary manohina Azy tanteraka ny tsy rariny ariny izay mahatonga Azy haneho fahatezerana ara-drariny manoloana ny fampahoriana ny hafa. Manerana ny Testamenta Taloha sy Vaovao, dia miantra mandrakariva ireo iharan'ny fampijaliana sy ny fampahoriana Izy, ary maneho fahatezerana ara-drariny amin'ireo mpampahory.

Vakio ny Sal. 82. Ahoana no anehoan'io Salamo io ny fiheverana lalina ataon’Andriamanitra mikasika ny rariny eto amin'ity tany ity? Inona no mety ho hevitr'izany ho antsika amin'izao andro izao?

Araka ny fahatakaran'ny mpanao famakafakana maro io Salamo io, dia sady manameloka ireo mpanapaka eto an-tany izay tompon'andraikitra amin'ny tsy rariny eo amin'ny fiarahamonina izany no manondro koa ny fotoana izay itsaran Andriamanitra ireo mpanapaka eny amin'ny rivotra (ireo "andriamanitra") ao ambadik'ireo mpitsara sy mpanjaka ratsy fanahy (ny herin'ny demonia, mazava loatra). Misy fanontaniana miantefa manokana amin'ireo mpitsara, manao hoe: "Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?" - Sal. 82:2.

Izao no andraikitra omena azy ireo ao aoriana kely: "Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; vonjeo ny mahantra sy ny malah malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy." - and. 3, 4. Manao antso ho amin'ny fampanjakana ny rariny ny mpaminanin'ny Testamenta Taloha eto sy any amin'ny andalan-teny hafa. Tsy ataon'ny Soratra Masina ambinambin-javatra tsy akory izany fa ivon'ny hafatra nentin'ireo mpaminany manerana ny Testamenta Taloha sy ny teny nataon'i Jesôsy fony Izy tonga nofo.

Tsy zava-miafina ho an'ireo mitonona ho tia sy mankatò an'Andriamanitra ny faniriana sy ny fitakian'Andriamanitra. Ambarany mazava ao amin'ny Mika 6:8 izany (ary any amin'ny andalan-teny mitovy amin'izany any amin'ny boky hafa): "Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain'i Jehovah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena."

Averimberina manerana ny Soratra Masina izany foto-kevitra izany. Izao, ohatra, no nambaran'i Jesôsy: "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia." 4:8-16. - Jao. 13:35; ampitahao amin'ny 1 Jao.

Hanao ahoana ny fianakaviantsika sy ny fiangonantsika raha toa isika mifantoka amin'ny Mika 6:8 ary mampihatra izany tokoa amin'ny teny sy ny asa? Na inona na inona tontolon-kevitra misy anao, ahoana no anehoana amin'ny fomba tsara kokoa ny fampiharana ireo foto-kevitra ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal