Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.

Daty
Alahady 14 June 2026

Vakio ny amin’ilay iraka lehibe voalaza ao amin'ny Mat. 28:18-20. Soraty ireo hafatra samy hafa tian'i Jesôsy ambara rehefa milaza Izy hoe «rehetra» na «mandrakariva» (izay voambolana iray ihany amin'ny teny grika, pas).

Naniraka antsika hitory ny hafany amin'izao tontolo izao i Jesôsy : "Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra (...)". Ny hanao mpianatra no iraka nampanaovina ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, ary avy eo, ireo mpianatra ireo koa dia hanao mpianatra hafa. Isika rehetra, amin'izay, no mitory ny filazantsara mandrakizay sy ny hafatry ny anjely telo (Apôk. 14:6-12) mba hanomana izao tontolo izao ho amin'ny fiavian'i Jesosy tsy ho ela.

Antsoina hijoro ho vavolombelona na iza na iza nandray fiainam-baovao tao amin'i Kristy. Matetika anefa no mihevitra ny olona fa zavatra tsy hainy atao, na tsy tiany atao, ny mijoro ho vavolombelona. Toy ny mitoriteny eny an-dalambe na mamelabelatra lohahevitra sarotra ao amin'ny Baiboly no mety ho fandraisany izany, koa manda mafy izy. «Tsy izaho ka, tsy izaho velively izany! Olona saro-kenatra aho; tsy manavanana ahy ny mijoro ho vavolombelona.»

Ny tena fijoroana ho vavolombelona anefa dia matetika vokatry ny fanatreha-maso ny zavatra ataon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, ny fahitana izay ampianariny antsika eo am-pitomboantsika ao Aminy, ary avy eo. ny fizarana fotsiny ny fanandramantsika amin'ny hafa. Tena tsara Andriamanitra, ary ny nataony ho antsika no vaovao mahafaly indrindra azon'izao tontolo izao renesina. Tsy afaka ary tsy tokony hangina isika! Nanavotra anao Izy; niantso anao tamin'ny anaranao — Azy ianao. Moa ve misy vaovao tsara mihoatra noho izany ho an'ny olona rehetra eto ambonin'ny tany?

Na tsy nianatra tao amin'ny sekolin'ny raby aza ny mpianatra tao amin'ny fiangonana voalohany, na tsy nahay nandaha-teny araka ny lovantsofina aza izy ireo, dia mbola azontsika atao tsara ny mandray lesona avy amin'izy ireo.

Vakio ny Asa. 1:8 sy nyAsa. 4:13. Toy ny ahoana ny fijoroana ho vavolombelona tao amin'ny fiangonana voalohany? lnona no akon'ny fijoroan'i Petera sy i Jaona ho vavolombe lona tamin'ireo izay nandre azy ireo?

Hoy i Petera sy i Jaona: "Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay" – Asa. 4:20. "Efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy" - Asa. 4:13, koa tsy hainy ny tsy hitory Azy. Ny Fanahy Masina no nanome azy ireo fahasahiana sy hery maharesy lahatra teo amin'ny teniny.

Manokana fotoana hivavahana izao. Mangataha herim-po amin'Andriamanitra mba hitoriana Azy amin'ireo olona apetrany eo amin'ny fiainanao. Mangataha fahendrena Aminy mba hahafantarana ny fotoana tokony hitenenana sy izay holazaina. Vakio ny 1 Jao. 4:7-11, ary mivavaha mba hanana izany karazam-pitiavana izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal