Hodinihina nandritra ny herinandro: Mat. 28:18-20; 2 Pet. 3:18; 1 Pet. 3:8-15; Hôs.7; Zak. 10.
Tsianjery :
"Jehôvah Tompo no nanome ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako ma nao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay."– Isa. 50:4.
Nanan-draharaha maro hatao ny Pasitora G. indray Sabata maraina. Nifoha maraina izy, niomana ho amin'ny Sekoly Sabata sy ny toriteny, ary izy koa no hitarika ny asa fitoriana ny hariva. Noraisiny faingana ny lakile dia lasa izy nihazakazaka nivoaka ny trano.
Nitondra fiara izy namakivaky ny tanan-dehibe, ary sorena noho ny habetsahan'ny olona rehefa Sabotsy, izay mety hahatara azy any am-piangonana. Handeha ho aiza avokoa ary izy ireny? Avy eo, nisy fiara nipoitra tampoka teo anoloany. Nitsahiny malaky ny hisatra sady namonkina totohondry izy noho ny fahasorenana sy ny hatezerana, nivazavaza tamin'ilay mpamily.
Tonga tany am-piangonana ihany ny Pasitora G. nosy farany. Teo am-pijoroany nampianatra ny lesona, dia nitopy tany amin'ireo mpianatra tao amin'ny kilasiny ny masony ary nahatsinjo endrika vaovao nefa tea efa fantany. Tsy iza fa ilay mpamily vao avy nivazavazany 20 minitra lasa izay.
Taty aoriana, rehefa nampahafantatranyamin'ilay mpamily ny mambra iray tao am-piangonana fa izy io dia olona tsy Advantista izay namangy fianakaviana fotsiny, dia tsapan'ny pasitora G. indray ny maha zava-dehibe ny fifandraisana amin'ny olona tsirairay, na olom-pantatra na vahiny, izay tokony hatao amim-pitiavana vokatry ny fifandraisana tsy tapaka amin'Andriamanitra. Tsy fantatrao izay mety ho fiantraikan'ny fihetsikao amin'ny hafa, indrindra amin'ny maha mpino anao.