Maro no mahalala tsara ny fangirifiriana sy ny alahelo noho ny fananana zanaka izay mifidy ny hiala amin'ny Tompo — na dia notezaina tao anatin'ny tokantrano mafy orina ara-panahy aza.
I Efraima, firenena nofidin'Andriamanitra, dia naniasia niala tamin'ny Tompo. Inona no Iazain'ny Hôs. 4:17 sy ny Hos. 7 amintsika momba ny fahotan'i Efraima?
Ankoatra izany, voalaza fa mitomany (sarin-teny) i Rahely, reniben'i Efraima, satria niala tamin'ny Tompo i Efraima (Jer. 31:15). Nam* izany alahelony lehibe izany ny Tompo tamin'ireto teny ireto, ao amin'ny Jer. 31:16,17: "Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehôvah , Ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehôvah; fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray."
Nasaina hanana fanantenana i Rahely fa tsy hitomany. Inona koa no ambaran'i Jeremia amintsika? Vakio ny Jer. 31:18,19.
Ianarantsika avy amin'ny alalan'ny tantaran'i Efraima fa misy mandrakariva ny fanantenana, satria Andriamanitra tsy milavo lefona.
Na mananatra imbetsaka ny olony nania aza Andriamanitra, dia tsy mitsahatra ny famindram-pony, ary mitohy ny hafany ao amin'ity toko ity (jereo ny Jer. 31:20).
Mety ho ialina ny alahelontsika, ny fahadisoam-panantenana, na ny hakiviantsika noho ny amin'ireo akaiky ny fontsika izay nanalavitra an'Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika anefa Andriamanitra eto fa tsy nanadino ilay zanaka naniasia Izy — sanatria! Tsy hoe zara raha ao an'eritreritr'Andriamanitra ny momba ny olona toy izany, fa tsarovany marina ao am-pony tokoa izy. Milaza aza Andriamanitra fa fatra-pahatsiaro azy. Maniry fatratra ny hiverenan'izy ireo Aminy Izy, ary lehibe ny famindram-pony.
Rehefa fantatrao ny navalin'Andriamanitra ny alahelon'i Rahely noho ny faniasiavan'i Efraima, manao ahoana ny fihetseham-ponao ny amin'ireo olona fantatrao fa nanalavitra ny Tompo? Ahoana no anovan'izany ny fomba fijerinao na ny ampaherezan'izany anao?