Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 19 September 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Kor. 8:9; Rôm. 16:20; 1 Jao. 4:8-11; 2 Kor. 13:11; Fil. 2:1,2; Gal. 4:4-6.

Tsianjery

"Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina." -2 Kor. 13:14.

Ny 2 Kor. tamin'ny ofaranan'i Paoly ny fanasongadinana indray ireo hevitra fototra novelabelariny tao amin'ireo epistiliny. Tamin'ny alalan'ny baiko dimy no nanaovany izany (2 Kor. 13:11).

Ny baiko voalohany, «Mifalia», dia mampahatsiahy ireo andalan-teny teo aloha ao amin'ireo epistily.

Ny baiko faharoa, «aoka ho tanteraka hianareo», dia nadika avy amin'ny teny grika tokana (katartiző), izay hita eto sy ao amin'ny 1 Kor. 1:10.

Ny fahatelo, «mandraisa fampiononana», dia mamerina ny voalazan'ny 2 Kor. 1:3-7. Nanomboka sy namarana ny epistiliny faharoa tamin'ny fampiononana i Paoly. Mandray ny fampiononan'Andriamanitra isika mba hahafahan-tsika mampionona ny hafa (2 Kor. 1:4,6).

Ny baiko fahefatra sy fahadimy, «Miraisa saina, mihavana» (2 Kor. 13:11), dia antso ho amin'ny firaisan-kina. Ireo dimy ireo no fepetra hisian'ny fanatrehan'Andriamanitra, dia Ilay «Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana» (2 Kor. 13:11, ESV). Izany dia vokatry ny asan'Andriamanitra Telo Izay Iray ao am-pon'ny olombelona (2 Kor. 13:14).

Ny fahasoavana, ny fitiavana, ary ny firaisana dia vokatry ny asan'Andriamanitra Telo Izay Iray ho antsika. Ireo toetra kristianina telo ireo no miteraka rivo-piainana izay misy ny fanatrehan'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal