Teo amin'ny tontolo mpanompo sampy fahiny, dia tsy ninoan'ny olona ho tia ny olombelona ny andriamanitra. Noheverina ho ratsy fanahy sy masiaka koşa ireo andriamanitra ireo, ka mila tonena. Zava-baovao izany hoe Andriamanitra be fitiavana araka ny hitantsika ao amin'ny Baiboly izany. Nampitolagaga izany fanambarana izany tamin'ny androny, tahaka ny famaritan'i Paoly an'Andriamanitra hoe «Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana» i Paoly - 2 Kor. 13:11.
Vakio ny 2 Kor. 13:11. Ahoana no anomezan'io andininy io fanantenana ho anao? Ahoana no hahatonga Izay voalaza ao ho fanandramana lainanao tokoa?
Azo hazavaina amin'ny fomba roa ny hoe «Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana». Voalohany, Loharanon'ny fitiavana sy ny fiadanana no ahafantarana an'Andriamanitra. Faharoa, toetran'Andriamanitra no faritana hoe fitiavana sy fiadanana. Tsy voatery hifidy ny iray amin'ireo anefa isika, satria samy toetra fototra ananan'Andriamanitra ny fitiavana sy ny fiadanana. Sady manome fitiavana no manome fiadanana antsika Izy.
Any amin'ny andininy hafa dia hoy i Paoly momba an'Andriamanitra ho «Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana» - Rom. 15:5; «ny Andriamanitry ny fanantenana» - Rôm. 15:13; «ny Andriamanitry ny fiadanana» - Rom. 15:33, Rom. 16:20, 1 Kor. 14:33, Fil. 4:9, 1 Tes. 5:23, «Rain'ny famindrampo» - 2 Kor. 1:3, ary «Andriamanitry ny fampiononana rehetra» - 2 Kor. 1:3. Andriamanitra no Loharanon'ireo fitahiana rehetra ireo. Omeny antsika izy rehetra avy amin'ny fitiavany tsy mety ritra.
Ankoatra izany, na mahazatra ihany aza ny hoe "Andriamanitry ny fiadanana" ao amin'ny Baiboly, ny hoe «Andriamanitry ny fitiavana» kosa dia eto ihany no miseho (2 Kor. 13:11), ary noho izany dia mendrika ny hosaintsainintsika lalina indrindra izany.
Araka ny voamariky ny ankamaroan'ireo mpandinika, ny firesahan'i Paoly momba ny Andriamanitry ny fitiavana andininy vitsivitsy mialoha ny tsodrano ao amin'ny 2 Kor. 13:14 dia manondro fa mihevitra an'Andriamanitra ho Persona telo izy. «Na ampiasain'i Paoly ilazana ny iray amin'Izy telo aza ny teny hoe 'Andriamanitra' eto, ny fahatakarany momba an'i Jesosy sy ny Fanahy Masina any amin'ireo andininy hafa ao amin'ny epistiliny (...) dia manery antsika hahita ilay andian-teny manontolo ho mamaritra Ilay Andriamanitra tokana Izay hitan'ny fiangonana tany am-boalohany tamin'ny endrika telo. Zato taona mahery taorian'izany vao nanomboka nampiasa teny toy ny hoe 'Andriamanitra Telo Izay Iray' ireo teolojiana (...) ho famintinana fohy izay efa nambaran'i Paoly sahady.» Tom Wright, Paul for Everyone: 2 Corinthians, p. 148.
Mino an'Andriamanitra tokana isika, dia ny firaisan'ny Persona telo Izay samy mandrakizay ao anatin'ny fifandraisam-pitiavana. Tia antsika Andriamanitra Telo Izay Iray, ary miantso antsika hifankatia amin'ny fomba izay maneho ny fitiavana misy eo amin'Izy ireo.