Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo

Daty
Talata 23 December 2025

AFAKA MIFIDY NY HANOMPO

Amin'ny maha-mpitarika marina sy mahatoky an'i Josoa 1 Sam. 15 dia manaja ny safidy malalaka ananan'ny vahoakany izy ary maniry ny hanompoan'ny Isiraely an'i Jehovah araka ny safidim-pon'izy ireo fa tsy amin'ny faneriterena. Izany hevitra izany no tena tiany havohitra raha ninia nampiasa ny matoanteny hoe "nifidy izy (jereo ny Jos. 24:22). Any amin'ny andalan-tSoratra Masina hafa, ny hoe bakhar, "mifidy", dia manondro ny fifidianan' Jehovah ny Isiraely (Deo. 7:6.7, Deo. 10:15: Deo. 14:2). Nanana fahalalahana hanao "tsia" tamin'i Yahweh ny zanak'Isiraely taorian'ny nifidianany azy ireo, kanefa tsy misy heviny sady fahadalana izany. Afaka nanao "eny" tamin Andriamanitra izy ireo ary nitohy ny fiainany, na koa niodina Taminy ka ho fongana.

Inona no navalin'ny Isiraely ny antson'i Josoa? (Jos. 24:16-18). Araka ny hevitrao, inona no anton'ny valintenin'i Josoa manoloana ny teny nataon'ny Isiraely? (Jos. 24:19-21).

Tao anatin'ny valinteny hentitra maneho ny faneken'izy ireo no niaiken'ny Isiraelita fa ilay Andriamanitra notompoin'ireo patriarka sy ny razan'izy ireo koa no "Andriamanitsika" Jos. 24:17,18, izay eken'izy ireo hotompoina amin'ny fanoavana tsy mizarazara. Taorian'izany fanambarana izay tsy azo lavina fa maneho fahatokiana izany, dia mety hihevitra isika fa teny maneho fankasitrahana sy fampirisihana no hataon'i Josoa; tsy Izany anefa no niseho. Toa nahitana fiovana be teo amin'ny resaka nifanaovan'i Josoa sy ny vahoaka; nanjary toa nijoro hanohitra ny fanambaran'ny Isiraely izy ary nanery azy ireo hisaintsaina lalina kokoa. Raha niresaka momba ny fitantanana feno fahasoavana nitondran Andriamanitra azy ireo tamin'ny lasa izy teo aloha, dia nanjary nampitandrina ny Isiraelita tamin'ny fanehoana sarin'ny Andriamanitra anankiray izay tsy mora ny manompo Azy.

Fantatr'i Josoa ny fiovaovan'ireo taranaka voalohany, izay nampanantena fa hankato an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny fiteny tahaka izany ihany (Eks. 19:8; Eks. 24:3; Deo. 5:24), kanefa nanadino ireo fampanantenana nataony raha vao avy nilaza izany tsy ela akory (Eks. 32). Araka izany, dia nampiasa hailahateny i Josoa mba hahazoany antoka fa takatry ny Isiraelita tsara ireo teboka maro mifandraika amin'ny tenin'izy ireo. Voalohany, ny fanapahan-kevitra ny hanompo an'Andriamanitra dia zavatra feno fahamatorana tokoa, izany no tokony hamaritra ny maha-izy ilay firenena manontolo araka ny fampahafantaran Andriamanitra ny Sitrapony. Mazava ireo fitahiana azo eo am-panatrarana izany tanjona izany nefa tsy maintsy takatra amin'ny fahafenoany koa ireo vokatry ny tsy fankatoavana. Tsy zo raikitra ananan'ny taranak'olombelona tsy akory ny famelan-keloka fa fahagagana vokatry ny fahasoavan Andriamanitra.

Faharoa, ny fanapahan-kevitry ny Isiraelita ny hanompo an'Andriamanitra dia tokony ho araka ny nahim-pon'izy ireo fa tsy vokatry ny faneren'ny mpitarika, eny fa na i Josoa aza izany.

Fahatelo, tokony ho tsapan'ny Isiraely fa tsy hain'ny olombelona ny manompo an'Andriamanitra amin'ny herin'ny tenany. Tsy amin'ny fanarahana ireo zava-takin'ny fanekena no hahatontosan'ny olona ny fanompoana an'Andriamanitra, fa amin'ny alalan'ny fifandraisany a IImanokana amin'ilay Tompo Mpamonjy (ampitahao amin'ny Eks. 20:1,2; Deo. 5:6,7).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal