Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo

Daty
Talata 23 December 2025

AFAKA MIFIDY NY HANOMPO

Amin'ny maha-mpitarika marina sy mahatoky an'i Josoa 1 Sam. 15 dia manaja ny safidy malalaka ananan'ny vahoakany izy ary maniry ny hanompoan'ny Isiraely an'i Jehovah araka ny safidim-pon'izy ireo fa tsy amin'ny faneriterena. Izany hevitra izany no tena tiany havohitra raha ninia nampiasa ny matoanteny hoe "nifidy izy (jereo ny Jos. 24:22). Any amin'ny andalan-tSoratra Masina hafa, ny hoe bakhar, "mifidy", dia manondro ny fifidianan' Jehovah ny Isiraely (Deo. 7:6.7, Deo. 10:15: Deo. 14:2). Nanana fahalalahana hanao "tsia" tamin'i Yahweh ny zanak'Isiraely taorian'ny nifidianany azy ireo, kanefa tsy misy heviny sady fahadalana izany. Afaka nanao "eny" tamin Andriamanitra izy ireo ary nitohy ny fiainany, na koa niodina Taminy ka ho fongana.

Inona no navalin'ny Isiraely ny antson'i Josoa? (Jos. 24:16-18). Araka ny hevitrao, inona no anton'ny valintenin'i Josoa manoloana ny teny nataon'ny Isiraely? (Jos. 24:19-21).

Tao anatin'ny valinteny hentitra maneho ny faneken'izy ireo no niaiken'ny Isiraelita fa ilay Andriamanitra notompoin'ireo patriarka sy ny razan'izy ireo koa no "Andriamanitsika" Jos. 24:17,18, izay eken'izy ireo hotompoina amin'ny fanoavana tsy mizarazara. Taorian'izany fanambarana izay tsy azo lavina fa maneho fahatokiana izany, dia mety hihevitra isika fa teny maneho fankasitrahana sy fampirisihana no hataon'i Josoa; tsy Izany anefa no niseho. Toa nahitana fiovana be teo amin'ny resaka nifanaovan'i Josoa sy ny vahoaka; nanjary toa nijoro hanohitra ny fanambaran'ny Isiraely izy ary nanery azy ireo hisaintsaina lalina kokoa. Raha niresaka momba ny fitantanana feno fahasoavana nitondran Andriamanitra azy ireo tamin'ny lasa izy teo aloha, dia nanjary nampitandrina ny Isiraelita tamin'ny fanehoana sarin'ny Andriamanitra anankiray izay tsy mora ny manompo Azy.

Fantatr'i Josoa ny fiovaovan'ireo taranaka voalohany, izay nampanantena fa hankato an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny fiteny tahaka izany ihany (Eks. 19:8; Eks. 24:3; Deo. 5:24), kanefa nanadino ireo fampanantenana nataony raha vao avy nilaza izany tsy ela akory (Eks. 32). Araka izany, dia nampiasa hailahateny i Josoa mba hahazoany antoka fa takatry ny Isiraelita tsara ireo teboka maro mifandraika amin'ny tenin'izy ireo. Voalohany, ny fanapahan-kevitra ny hanompo an'Andriamanitra dia zavatra feno fahamatorana tokoa, izany no tokony hamaritra ny maha-izy ilay firenena manontolo araka ny fampahafantaran Andriamanitra ny Sitrapony. Mazava ireo fitahiana azo eo am-panatrarana izany tanjona izany nefa tsy maintsy takatra amin'ny fahafenoany koa ireo vokatry ny tsy fankatoavana. Tsy zo raikitra ananan'ny taranak'olombelona tsy akory ny famelan-keloka fa fahagagana vokatry ny fahasoavan Andriamanitra.

Faharoa, ny fanapahan-kevitry ny Isiraelita ny hanompo an'Andriamanitra dia tokony ho araka ny nahim-pon'izy ireo fa tsy vokatry ny faneren'ny mpitarika, eny fa na i Josoa aza izany.

Fahatelo, tokony ho tsapan'ny Isiraely fa tsy hain'ny olombelona ny manompo an'Andriamanitra amin'ny herin'ny tenany. Tsy amin'ny fanarahana ireo zava-takin'ny fanekena no hahatontosan'ny olona ny fanompoana an'Andriamanitra, fa amin'ny alalan'ny fifandraisany a IImanokana amin'ilay Tompo Mpamonjy (ampitahao amin'ny Eks. 20:1,2; Deo. 5:6,7).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal