Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 21 December 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 21; Jao. 11:9,10; Jao. 8:42-44; Jao. 4:46-54; 2 Tim. 3:16; Jao. 15:1-11.

Tsianjery:

"Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." - Jao. 5:39

Fihaonana tany Galilia no mamarana ny filazantsaran'i Jaona, tahaka ny an'i Marka. Miresaka momba io fihaonana io ity lesona farany ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ity saingy mampifandray izany amin'ny lohahevitra momba ny fahalalantsika an'i Jesôsy sy ny Tenin'Andriamanitra - lohahevitra izay hita manerana ireo filazantsara efatra izany.

Na dia niaraka tamin'i Jesôsy nandritra ny telo taona mahery aza ireo mpianatra, dia mbola lehibe tokoa ny tsy fahavononan'izy ireo hiatrika ny fanomboana an'i Jesôsy amin'ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany amin'ny maty. Efa imbetsaka anefa no nilazan'i Jesôsy tamin'izy ireo ny hitrangan'izany.

Mampalahelo fa tsy mba nino ny Teny nambaran'i Jesôsy izy ireo. Mety tandindomin-doza hanao toy izany koa isika amin'izao andro izao: mandre na koa mamaky ny Tenin'Andriamanitra, saingy tsy mihaino izany, tsy mitoetra ao amin'izany, ary tsy mankató izany. Izany hoe, tsy ekentsika fa izany no fahazavana tokony hitarika ny fisainantsika sy ny asantsika. Indrisy fa izany no toerana misy ny Kristianina maro, na dia mety tsy fantany aza izany.

Ao amin'ity herinandro farany ianarana ny filazantsaran'i Jaona ity no hijerentsika ny sasany amin'ireo teboka manan-danja ao amin'io filazantsara io, izay hanampy antsika hihoatra lavitra ny fahafantarana ivelambelany fotsiny an'i Jesôsy ho amin'ny fahalalana Azy bebe kokoa sy ny fitoerana etiety kokoa ao Aminy sy ao amin'ny Teniny.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal