Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Fihaonana tany Galilia.

Daty
Alahady 22 December 2024

Vakio ny Jao. 21:1-19. Inona no fahamarinana manan-danja ambara eto, indrindra momba ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanetren-tenan'ny olombelona?

Ny tanjon'ilay filazantsara no mamarana ny Jao. 20, raha ny lôjika dia ao no hamaranana izany saingy mbola misy toko iray fanampiny. Miantomboka amin'ny fiverenan'ny mpianatra sasany tany Galilia ny toko faha-21, ary nanoso-kevitra ny handaniana alina iray teo amin'ny farihy i Petera. Toy ny hoe niverina ny andro fahiny, ary niverina tamin'ny asa fanaony ireo mpianatra, dia ny fanaratoana izany. Tsy nahazo na inona na inona anefa izy ireo tamin'io alina io.

Nony maraina, dia nisy olon-tsy fantatra iray teo amoron-drano nilaza tamin'izy ireo mba handatsaka ny haratony any ankavanan'ny sambokely. Rehefa izay dia nahazo trondro betsaka izy ireo ka tsy voasariny mihitsy aza ny harato. Tahaka ny tamin'ny niandohan'ny asa fanompoan'izy ireo niaraka tamin'i Jesôsy izany (jereo ny Lio. 5:1-11). Nahafantatra an'i Jesôsy avy hatrany i Jaona ka nilaza tamin'i Petera, izay nitsambikina hankao anaty rano ary nilomano nankeny amoron-drano.

Nametraka fanontaniana telo tamin'i Petera i Jesôsy. Mahakasika ny fitiavana ny Tompony avokoa izany. Talohan'ny nanomboana an'i Jesôsy tamin'ny hazo fijaliana dia nitompo teny mafy i Petera fa hahafoy ny ainy ho an'i Jesôsy mihitsy izy (Jao. 13:37). Tamin'izay no nilazan'i Jesôsy mialoha fa handà Azy intelo izy  (Jao. 13:38). Tsy ny tenany no nasongadin'i Petera tamin'ity fihaonana tany Galilia ity fa i Jesôsy: "Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho" - Jao. 21:17.

Misy olona sasany milaza fa ny matoanteny hoe agapaō, izay midika hoe "tia", no nampiasain'i Jesôsy raha nanontany an'i Petera (afa-tsy tamin'ny fanontaniana farany), ary i Petera kosa dia namaly mandrakariva tamin'ny matoanteny phileō, izay midika hoe "tia" saingy maneho fitiava-namana fotsiny izany. Izao no tian'izany hambara: tsy nahatanteraka ilay karazam-pitiavana ambony kokoa i Petera.

Raha ny marina anefa, ny valin-tenin'i Petera dia nifantoka tamin'ny fanetren-tena. Tao an-tsainy mandrakariva ny tsy fahombiazany ka izany no nampiasany tamim-panetren-tena ny fiteny somary "malefaka" kokoa satria tsy sahy nilaza zavatra betsaka momba ny tenany izy. Tsapan'i Jesôsy izany fanetren-tena izany, ary tonga zava-dehibe teo amin'ny famerenana an'i Petera ho amin'ny asa fanompoana indray izany. Tsy isalasalana fa anankiray amin'ny toetra tsara indrindra hoenti-manompo ny fanetren-tena, satria i Jesôsy Kristy no manjary ifantohana fa tsy ny tena.

Ny famerenana an'i Petera amin'ny laoniny sy ny anjara asany amin'ny maha-mpitarika azy tao amin'ny fiangonana voalohany no porofo goavana indrindra fa nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy. Ho sarotra tokoa ny hanazava ny toerana manan-danja notanan'i Petera raha toa i Jesôsy tsy namerina azy indray ho amin'ny asa fanompoana teo imason'ireo mpianatra hafa.

Nahoana ny fanetren-tena no manan-danja tokoa ho an'izay rehetra maniry ny hahalala ny Tompo? Eo anatrehan'ny hazo fijaliana, inona moa no ananantsika ka azontsika hireharehana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal