Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Ny mazava sy ny maizina

Daty
Talata 24 December 2024

Vakio ny Jao. 1:4-10: Jao. 3:19-21; Jao. 5:35: Jao. 8:12: Jao. 9:5; Jao. 11:9,10 ary ny Jao. 12:35. Inona ny zavatra roa lehibe mifanohitra aseho eto, ary nahoana izany fahasamihafana izany no manan-danja tokoa ho an'ny fahatakarana ny fahamarinana?

Ao anatin'ny haizina izao tontolo izao; mandrehitra hazavana izy saingy tsy mahita samirery ny lalana mankeo amin'ilay Andriamanitra marina, ilay Andriamanitra izay nanao ny Famoronana sy manao fanambarana ary fanavotana.

"Ny maha olombelona samirery dia tsy afaka mahatratra mihitsy ny fahalalana momba an’Andriamanitra. 'Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainantsi-hita! ka inona no fantatrao?' (Joba. 11:8). Ny fanahin'ny zanaka natsangana ihany no afaka manambara amintsika ny zava-dalina momba an’Andriamanitra, izay 'tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona (...) Dia isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy, fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra" - IFM, t. 335, ed. 2023.

I Jesôsy Kristy irery ihany no "nanambara Azy" Ray (Jao. 1:18). Exegeomai no matoanteny grika ampiasaina eto, izay midika hoe "manazava" na "maneho". Maneho an'i Jesôsy amin'ny maha-mpitondra hafatry lanitra Azy i Jaona, dia Ilay iray izay manazava ny hevitry ny hoe mahalala an'Andriamanitra. Amin'ny alalan'i Jesôsy irery no hahalalantsika marina an'Andriamanitra.

Vakio ny Jao. 8:42-44. Ahoana no anoritsoritan'i Jesôsy ny fanorenana sandoka izay nampiorenan'ireo mpitarika ara-pivavahana teo amin'ny Isiraely ny finoan'izy ireo?

Miteny araka ny fiheverany manokana ireo izay tsy mijoro amin'ny fahamarinana. "Mahita" ny hevitry ny andalan-teny amin'ny fomba fijerin'olombelona fotsiny ihany izy ireo. Mifanohitra amin'izany ny tsy maintsy anekentsika fa i Kristy no fahazavan'izao tontolo izao sy ny hanarahantsika Azy eo amin'ny fanazavana ny Teniny. Ny devoly kosa "día ny azy no lazainy - Jao. 8:44. Raha tsy mitandrina isika ary koa tsy milefitra tanteraka amin'ny finoana sy ny fankatoavana an'Andriamanitra, dia tandindomin-doza hanao toy izany koa: hamaky ny teny araka izay irintsika sy ilaintsika ary araka ny fomba fijerintsika fotsiny isika. Mora mihoatra noho izay mety hiheverantsika azy mantsy ny manao izany.

Ahoana no ataonao eo anatrehan'ireo fahamarinana izay "manafintohina" anao raha ampitahaina amin'izay tokony hataonao eo anatrehan'ireny fahamarinana ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal