Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Teolojia avy " any ambony " sa avy " aty ambany "?

Daty
Alarobia 25 December 2024

Vakio ny Jao. 4:46-54. Inona no olana nahatonga an'ilay tandapa hanatona an'i Jesôsy, ary inona no tena toe-javatra nisy tao ambadik'izany teto?

Nanatona an'i Jesôsy, ilay Fahazavan'izao tontolo izao, ity lehilahy ity saingy nanapa-kevitra izy ny tsy hino raha tsy efa manasitrana ny zanany i Jesôsy. Azontsika lazaina ho "teôlôjia avy aty ambany" ny teôlôjian'ity lehilahy ity. Ny teôlôjia avy aty ambany dia mametraka fitsipika sy fenitra mba hinoana an'Andriamanitra sy ny Teniny. Ny fihevitr'olombelona, izay tsy tonga lafatra sy voafetra ary koa mitanila, no tonga fahefana faratampony hoentin'ny olona mandray ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra. Fandrika mampidi-doza manao ahoana re izany!

Ny teôlôjia "avy any ambony" kosa dia mamaly amin'ny finoana, dia ny finoana an'Andriamanitra sy ny Teniny ambonin'ny zavatra rehetra (Jao. 4:48; Jao. 6:14,15; 2 Tim. 3:16). Rehefa ekena amim-pinoana ny Baiboly dia tonga mpanazava ny tenany. Ny fomba fijerin'ny Soratra Masina fa tsy ny fampianaran'ny olona no tari-dalana ho amin'ny fahatakarana sy ny fanazavana ny Soratra Masina. Tokony hampileferina sy hampanekena ny Tenin'Andriamanitra ny fomba fijerin'olombelona, fa tsy ny mifanohitra amin'izany.

Tsy maintsy mino ireo teny ao amin'ny Soratra Masina isika raha toa ka mino ny tenin'i Jesôsy (Jao. 5:46,47). "Raha maharitra amin'ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa" - Jao. 8:31. Raha misalasala ny amin'ny Tenin'Andriamanitra isika dia tsy afaka ny hitoetra ao anatintsika ny Teniny (Jao. 5:38). "Izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko." - Jao. 12:48,49.

Mihoatra noho ny fandrenesana fahalalana tsotra fotsiny ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra. Midika ho fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra koa izany, ary izany no valiny asetry ny fandrenesana ny Teny. "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho." - Jao. 7:17.

Ary fanehoana fitiavana amin'Andriamanitra izany fihainoana sy fanaovana araka ny Tenin'Andriamanitra izany. "Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy." - Jao. 14:23.

Inona no ifandraisan'ny fitiavantsika an'i Jesôsy sy ny fankatoavana? Nahoana ny karazana "fankatoavana" tsy miorina amin'ny fitiavana no loza mitatao mety hahatonga fitandreman-dalana diso toerana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal