Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Masina sady marina no tsara ny lalàna.

Daty
Alatsinainy 24 March 2025

Ny fitiavana no fototra iorenan'ny lalan'Andriamanitra. Rehefa manandratra ny lalàna Andriamanitra, dia manandratra ny fitiavana. Izany no anton'ny nahafatesan'i Jesôsy hamonjy ny mpanota, mba hahafahany manandratra ny lalàna sy mandrotsaka amintsika koa ny fahasoavany. Dia izany no mahatonga Azy ho marina sady mpanamarina izay rehetra mino Azy (Rôm. 3:25,26). Fanehoam-pitiavana re izany! Koa tsy manafoana ny lalàna velively ny fanavotana antsika, fa manamafy izany aza.

Vakio ny Rôm. 6:1-3 sy ny Rôm. 7:7-12, ka diniho manokana ny and. 12. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny lalana, na dia taorian'ny nahafatesan'i Kristy aza?

Na mino aza ny olona sasany fa manafoana ny lalàna ny fahasoavana sy ny fanavotana, i Paoly kosa dia milaza mazava fa tsy afaka mitoetra amin'ny ota isika mba hitomboan'ny fahasoavana. Raha ny marina, ireo izay natao batisa tao amin'ny finoana an'i Kristy dia "natao batisa ho amin'ny fahafatesany", koa mahazo mihevitra ny tenany ho efa maty ny amin'ny ota izy, fa velona ho an'i Kristy kosa.

Tsy fahotana ny lalàn'Andriamanitra fa mampiharihary ny fahotana sy ny maha-mpanota antsika (ankoatra ny zavatra hafa). Noho izany, "masina tokoa ny lalana, ary masina ny didy sady marina no tsara." - Rôm. 7:12. Tsy misy afa-tsy ny lalana no mahay maneho amintsika ny ilantsika tokoa famonjena sy fanavotana dia ny famonjena sy ny fanavotana avy amin'i Kristy irery ihany. Araka izany, tsy mahafoana ny lalana amin'ny finoana isika, fa vao mainka mampiorina tsara izany (Rôm. 3:31).

Tsy tonga hanafoana ny lalana i Kristy fa hanatanteraka izay rehetra nampanantenaina ao amin'ny lalàna sy ny mpaminany. Koa tsindriany tsara fa: "Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalana, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra."- Mat. 5:18.

Maneho ny fahamasinan'Andriamanitra ny lalana ny fitiavany tonga lafatra, ny fahitsiany, ny fahatsarany, ary ny fahamarinany (Lev. 19:2; Sal. 19:7,8; Sal. 119:142,172). Araka izany, misy antony lehibe matoa nosoratan'Andriamanitra mihitsy teo amin'ny vato fisaka ny Didy folo, ao amin'ny Eks. 31:18. Vavolombelon'ny toetran'Andriamanitra tsy miova sy ny fitondram-panjakany miorina amin'ny fitiavana izany- izay lohahevi-dehibe ao anatin'ny fifanandrinana lehibe.

Mifamatotra ny lalana sy ny fitiavana. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra tsara ny hevitry ny tenin'i Jesôsy hoe: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko" - Jao. 14:15?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
Telovolana 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (37)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal