Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Ny lalàna sy ny fahasoavana.

Daty
Talata 25 March 2025

Araka ny efa hitantsika, ny lalåna sy ny fahasoavana dia tsy mifanipaka. Samy manana ny asany kosa izy ireo, izay mifandrindra amin'ny fitiavana sy ny fahamarinan Andriamanitra. Ho nahavery hevitra ny Isiraelita fahiny raha nifanohitra ny lalana sy ny fahasoavana, fanehoana lehibe ny fahasoavan'Andriamanitra mantsy no nandraisan'izy ireo ny fanomezan Andriamanitra ny lalana. Niovaova sady tsy fantatra be ihany ny sitrapon'ireo "andriamanitry" ny firenena nanodidina, ka tsy fantatry ny olona mazava izay tian'ireo "andriamanitra" ireo sy izay mahafaly azy; ilay Andriamanitry ny Baiboly kosa dia manambara mazava amin'ny vahoakany ny amin'izay ankasitrahany. Ary izay mahasoa indrindra ny olony rehetra no sitrany, na isam-batan'olona na amin'ny maha-vahoaka azy.

Tsy mahavonjy antsika amin'ny ota na manova ny fon'ny olombelona anefa ny lalana. Amin'ny maha-mpanota antsika dia mila ovana tanteraka ho ara-panahy ny fontsika.

Vakio ny Jer. 31:31-34. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny teny fikasan Andriamanitra hanome antsika to vaovao? Ampitahao amin'ny teny nataon'i Kristy tamin'l Nikodemôsy ao amin'ny Jao. 3:1-21, momba ny fahateraham-baovao, izany. (Jereo koa ny Heb. 8:10)

Andriamanitra mihitsy no nanoratra ny Didy folo teo amin'ny vato fisaka (Eks. 31:18), kanefa natao hosoratana ao am-pon'ny vahoakan'Andriamanitra koa ny lalana (Sal. 37:30,31). Raha ny tsara indrindra dia tsy tokony ho ivelany fa ao anatin'ny toetrantsika mihitsy ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra. Andriamanitra irery no mahay manoratra ny lalány ao am-pon'ny olombelona, ary nanome toky Izy fa hanao izany ho an'ny vahoakan'ny fanekeny (jereo ny Heb. 8:10).

Tsy mahay mamonjy ny tenantsika amin'ny alalan'ny fitandremana ny lalána isika. Fahasoavana no amonjena antsika amin'ny alalan'ny finoana; tsy avy amintsika izany fa fanomezana avy amin'Andriamanitra (Efes. 2:8). Tsy mitandrina ny lalana mba hovonjena isika fa satria efa novonjena. Tsy mitandrina ny lalana mba hotiavina isika fa satria efa tiana, koa irintsika ny hitia an'Andriamanitra sy ny hafa (Jao. 14:15).

Etsy andanin'izany, asehon'ny lalána amintsika ny fahotantsika (Jak. 1:22-25; Rồm. 3:20; Rôm. 7:7); ambarany amintsika fa mila Mpanavotra isika (Gal. 3:22-24); tarihiny ho amin'ny fomba fiainana tsara indrindra isika, ary ambarany ny toetran'Andriamanitra, Izay Fitiavana.

Inana no fanantenanao amin'ny andro fitsarana? Ny fitandremanao min-jotom-po sy amim-pahatokiana ny lalana ve sa ny fahamarinan'i Kristy mandrakotra anao? Inona no ambaran'ny valin-teninao momba ny asan'ny lalana? Inona no hain'ny lalana atao ary inona no tsy hainy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal