Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.

Daty
Alatsinainy 22 June 2026

Nohariana mba hanakaiky an'Andriamanitra isika (Gen. 2:7). Hatramin'ny fotoana namoronany ny olombelona dia nanome ny zava-drehetra Andriamanitra mba hamerenana amin'ny laoniny ny fifandraisantsika Aminy izay tapaka (Jao. 3:16). Napetrany tao am-pontsika ny mandrakizay, nefa tsy takatry sain'olombeiona izay nataon'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany (Mpitt. 3:11). Voafaokan'ilay fifanandrinana lehibe izay miseho manodidina antsika isika, eny ao anatintsika koa aza, nefa matetika loatra isika no tsy miato kely akory mba handinika ny vidiny lehibe efa naloa mba hamerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana tian'Andriamanitra hifandraisana amintsika. Matetika loatra isika no variana amin'ny tolona sy ny fitsapana eto an-tany ka manadino fa "ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesôsy Kristy Tempo, izay hanova nytenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiasan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy." - Fil. 3:20, 21.

Raha mihamanakaiky ny fiafaran'izao tontolo izao, dia fantatsika fa hisy rahona kely mainty hiseho eny amin'ny lanitra atsinanana indray andro any. Rehefa mihamanatona izany, dia ho hitantsika fa eo ambonin'io rahona io no hipetrahan'flay "tahaka ny Zanak'olona (...) Izay nisatroka satroboninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tanany." - Apôk. 14:14. Harahin'ny anjely an'arivony maro i Jesôsy (Mat. 25:31), ary ny maso rehetra hahita Azy (Apôk. 1:7). Rehefa midina Izy dia handre ny fiantsoany mafy isika, ny feon'ny trompetran'Andriamanitra, ary hisokatra ny fasana misy ireo izay nodimandry tao amin'i Kristy ka izy ireo no hitsangana aloha (1 Tes. 4:16). Ho fantatr'izy ireo ny feon'llay miantso azy (Jao. 5:28).

Inona no hitranga aorian'izany? Vakio ny 1 Tes. 4:17. Amin'ny farany, dia hanakoako manerana izao rehetra izao izay nosoratan'i Paoly ao amin'ny Fil. 2:10,11.

Mahatalanjona sy mahafinaritra tokoa ny mieritreritra izany! Indray andro any isika dia hahita an'i Jesôsy, tena hahita Azy tokoa. Handre ny feony isika, ary hiaiky fa Izy no Tompo. Ilay novakintsika ny momba Azy, Ilay nivavahantsika, ilay noresahintsika tamin’ny hafa, ilay nirin'ny fontsika fatratra dia ho hitantsika mifanatrika. Azontsika antoka izany, satria mahatoky Andriamanitra ary marina ny teny fikasany (Apôk . 22:6).

Amin'izay fotoana izay, rehefa maneno ny trompetra ary hahita an'i Jesôsy ny maso rehetra, dia ho fantatsika fa tsy very maina ny fotoana niandrasana. Ny vavaka rehetra natao tamim-paharetana, ny fotoana rehetra natokantsika ho Azy, ny fotoana rehetra nitoriantsika Azy tamim-pahasahiana, ny fitsapana rehetra, dia hifarana rehefa hahita ny Tavany isika (Apôk. 22:4). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal