Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.

Daty
Talata 23 June 2026

Raha natao sesitany tany amin'ny nosy Patmo i Jaona mpianatr'i Jesôsy , dia nomena fahitana momba izay hitranga rehefa tafaray amin'Andriamanitra indray mandritra ny mandrakizay isika.

Vakio ny Apôk. 21:9-11. Inona no fanoharana nomena azy, ary Inona no antony nampiasana izany, araka ny hevitrao?

Tsara tarehy ny ampakarina, ary amin'ny andro fampakarana azy dia samy maniry hahita azy ny rehetra. Ny fampakaram-bady dia kihon-dalana mankamin'ny fiainana vaovao hiarahan'ny mpampakatra sy ny ampakarina, ary izany koa no hitranga eo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra amin'ny fotoana hiverenany.

Efa nanomana toerana ho antsika i Jesosy (Jao. 14:1-3), toerana tsara tarehy izay mahatalanjona loatra ka tsy hay hosoritsoritana. Raha ny marina, dia "tsy ampy hahalaza ny momba ny valisoan'ny marina ny fitenin'olombelona. Izay hahita azy izany no hahafantatra azy. Tsy misy saina voafetra araka hahatakatra ny voninahitty ny Paradisan'Andriamanitra." — HM, t. 702 (ed. 1983).

Na dia tsy takatsika amin'ny fahafenoany aza izay ho toetry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, dia nanehoan'Andriamanitra fahitana i Jaona ny amin'izany toerana izany, izay iandrandrantsika fatratra day "fampakaram-bady" ho avy tsy ho ela. !no tokoa no fanasana alefa amintsika: "Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany." - KoI. 3:2.

Manomana fatratra izany fotoana manokana izany Andriamanitra, ary tsy tiany raha ho tampoka amintsika io "fampakaram-bady" io (vakio ny Mat. 22:1-14; Mat. 25:1-13).

Izao tontolo rehetra izao no fiangonana hanatri-maso izany toe-javatra izany, ary isika no ho anisan'ny mpandray anjara lehibe ao anatin'io tantara io. Hiaraka amin'ny "ampakarina" isika, hiditra ao amin'izany tanana izay hitondran'i Jesôsy antsika amin'ny fiaviany fanindroany izany. Mahavariana fa ny vahoakan'Andriamanitra (ny olona masina) dia antsoina koa hoe ampakarina (jereo ny Apôk. 19:7), angamba noho izy ireo ao amin'ny "tanana masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny." Apôk. 21:2. Izany fanoritsoritana kanto momba ny Tanana Masina izany dia maneho fa misy fifandraisana ety dia ety eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra sy ilay tanana, satria samy antsoina hoe "ampakarina" izy roa. Ny Baiboly dia manome famaritana an-tsipiriany momba "ny tanana masina, Jerosalema vaovao izay renivohitra sy mampiseho ny fanjakany (...) antsoina hoe: `ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry.'" — HM, t. 440 (ed. 1983)

Vakio ny Apôk . 21:9-27. Nahoana no sarotra ho antsika ny maka sary an-tsaina izany amin'izao fotoana izao? Ahoana no hanombohantsika mahatakatra ny zavatra ampanantenaina antsika eto?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal