FIANARANA FANAMPINY
Vakio "Ny Fitoerana Masina sy ny momba azy rehetra", PM, toko 30.
Nialohavan'ny asa fanavotana nataon'Andriamanitra ny fanorenana ny fitoerana masina, dia ny fanafahana ny Isiraely tamin'ny ziogan'ny fanandevozana tao Egypta. Taorian'izany dia vonona Andriamanitra hiditra amin'ny fifandraisana maharitra amin'ny vahoakany amin'ny alalan'ny fanekena. Ho Andriamanitr'izy ireo Izy, ary izy ireo ho olony (Eks. 6:7). Ny lalan'ny fanekena no namaritra ny fomba tokony hifandraisan izy ireo Aminy sy amin'izy samy izy. Toerana fihaonana tokoa ny tabernakely, nihaonan Andriamanitra sy ny olombelona. Taorian'ny fanavotana sy ny fanorenana firaisana maharitra tamin Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fanekena, vao nahazo nanatona an'Andriamanitra tao amin'ny fitoerany masina ny olona.
Hoy koa i Ellen G. White manazava ny tanjon'ireo fanompoana natao tao amin'ny fitoerana masina: "Hita tamin'izany fa nampianatra ny Zanak'Isiraely isan'andro ireo fahamarinan-dehibe mikasika ny fahafatesana sy ny asa nanirahana an'i Jesosy Kristy, ireo fanompoam-pivavahana natao tao amin'ny tabernakely sy tao amin'ny tempoly izay nandimby azy. Indray mandeha isan-taona, dia nitodika tany amin'izay ho fiafaran'llay ady lehibe ifanaovan'ny Zanak'Andriamanitra sy Losifera ny saina rehetra: día ny fanadiovana manontolo sy tanteraka izao rehetra àry izao amin'ny alalan'ny fandevonana ny ota sy ny mpanota.-PM, t. 347.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Ny fandatsahan-drá no ivon'ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina. Natao fanatitra ny biby isan-karazany, ary ny ran'izy ireo dia saika nampiasaina nandritra ireo fombafombam-pivavahana rehetra natao tao amin'ny tempoly. Naneho inona ny ra, ary nanondro inona ireo fanatitra rehetra ireo raha ny marina?
2. Efa mahagaga ny hoe: naniry honina teo amin'ny vahoakany tao amin'ny fitoerana masina Andriamanitra, Mpamorona izao rehetra izao; tsy mainka mahatalanjona lavitra ve ny nahatongavany nonina teto amintsika, ho olombelona, iray amintsika? Na izany fotsiny aza dia fanehoam-pitiavana mahavariana. Kanefa avy eo nanolotra ny tenany ho fanatitra noho ny ota Izy-izany hoe, maty ho antsikal Inona no ampianarin'izany antsika momba ny toetran'Andriamanitra? Inona koa no ambaran'izany amintsika momba ny halalin'ny fanirian'Andriamanitra hahita antsika ho voavonjy any amin'ny fanjakany mandrakizay?
3. Vakio ny Heb. 8:1-6. Inona no lazain'io andininy io amintsika momba ny fitoerana masina teto an-tany? Amin'ny fomba ahoana no nanehoan'izany ny ataon'l Jesosy ho antsika ankehitriny ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra?