Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 26 September 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny Fitoerana Masina sy ny momba azy rehetra", PM, toko 30.

Nialohavan'ny asa fanavotana nataon'Andriamanitra ny fanorenana ny fitoerana masina, dia ny fanafahana ny Isiraely tamin'ny ziogan'ny fanandevozana tao Egypta. Taorian'izany dia vonona Andriamanitra hiditra amin'ny fifandraisana maharitra amin'ny vahoakany amin'ny alalan'ny fanekena. Ho Andriamanitr'izy ireo Izy, ary izy ireo ho olony (Eks. 6:7). Ny lalan'ny fanekena no namaritra ny fomba tokony hifandraisan izy ireo Aminy sy amin'izy samy izy. Toerana fihaonana tokoa ny tabernakely, nihaonan Andriamanitra sy ny olombelona. Taorian'ny fanavotana sy ny fanorenana firaisana maharitra tamin Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fanekena, vao nahazo nanatona an'Andriamanitra tao amin'ny fitoerany masina ny olona.

Hoy koa i Ellen G. White manazava ny tanjon'ireo fanompoana natao tao amin'ny fitoerana masina: "Hita tamin'izany fa nampianatra ny Zanak'Isiraely isan'andro ireo fahamarinan-dehibe mikasika ny fahafatesana sy ny asa nanirahana an'i Jesosy Kristy, ireo fanompoam-pivavahana natao tao amin'ny tabernakely sy tao amin'ny tempoly izay nandimby azy. Indray mandeha isan-taona, dia nitodika tany amin'izay ho fiafaran'llay ady lehibe ifanaovan'ny Zanak'Andriamanitra sy Losifera ny saina rehetra: día ny fanadiovana manontolo sy tanteraka izao rehetra àry izao amin'ny alalan'ny fandevonana ny ota sy ny mpanota.-PM, t. 347.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ny fandatsahan-drá no ivon'ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina. Natao fanatitra ny biby isan-karazany, ary ny ran'izy ireo dia saika nampiasaina nandritra ireo fombafombam-pivavahana rehetra natao tao amin'ny tempoly. Naneho inona ny ra, ary nanondro inona ireo fanatitra rehetra ireo raha ny marina?

2. Efa mahagaga ny hoe: naniry honina teo amin'ny vahoakany tao amin'ny fitoerana masina Andriamanitra, Mpamorona izao rehetra izao; tsy mainka mahatalanjona lavitra ve ny nahatongavany nonina teto amintsika, ho olombelona, iray amintsika? Na izany fotsiny aza dia fanehoam-pitiavana mahavariana. Kanefa avy eo nanolotra ny tenany ho fanatitra noho ny ota Izy-izany hoe, maty ho antsikal Inona no ampianarin'izany antsika momba ny toetran'Andriamanitra? Inona koa no ambaran'izany amintsika momba ny halalin'ny fanirian'Andriamanitra hahita antsika ho voavonjy any amin'ny fanjakany mandrakizay?

3. Vakio ny Heb. 8:1-6. Inona no lazain'io andininy io amintsika momba ny fitoerana masina teto an-tany? Amin'ny fomba ahoana no nanehoan'izany ny ataon'l Jesosy ho antsika ankehitriny ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal