Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAHAFANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Fanasitranana ilay jamba (Fizarana 2)

Daty
Alarobia 09 October 2024

Vakio ny Jao. 9:17-34. lnona ireo fanontaniana napetrak'ireo mpitondra fivavahana, ary inona no navalin'ilay jamba sitrana azy ireo?

Io ampahan-dahatsoratra lava ao amin'ny Jao. 9 io no hany tsy ahitana an'i Jesôsy ho mpandray anjara fototra, na dia Izy aza no foto-dresaka ao. Tahaka ilay fanontaniana mikasika ny fahotana any amin'ny fiantombohan'ny tantara (Jao. 9:2), dia nihevitra koa ny Fariseo fa mpanota i Jesôsy satria nanasitrana tamin'ny andro Sabata (Jao. 9:16,24), ary nanaraby llay lehilahy sitrana izy ireo hoe: "Tena teraka tamin'ny ota ialahy"— Jao. 9:34.

Mahaliana ny fifanoheran-javatra eto. Nihanazava hatrany ny fahitan'ilay jamba, tsy ara-nofo ihany fa ara-panahy koa, satria nitombo ny fankasitrahany an'i Jesôsy sy ny finoany Azy. Fa ny Fariseo kosa nihajamba hatrany tao an-tsainy, voalohany, noho ny fisarahan-tsainy ny amin'i Jesôsy (Jao. 9:16), ary faharoa, noho ny tsy nahafantarany izay niavian'i Jesôsy (Jao. 9:29).

Amin'ny alalan'ny fitantarana io fahagagana io koa no ahafahan'i Jaona manambara amintsika hoe Iza moa i Jesôsy. Mifandray amin'ireo lohahevitra maro hafa ao amin'ilay filazantsara ity lohahevitra momba ny famantarana ao amin'ny Jao. 9 ity. Averin'i Jaona eto, ohatra, fa i Jesôsy no fahazavan'izao tontolo izao (Jao. 9:5, ampitahao amin'ny Jao. 8:12). Miresaka ny amin'ny fiavian'i Jesôsy koa ity tantara ity, izay zava-miafina. Iza moa Izy, avy aiza, ary inona ny asa nanirahana Azy? (Jao. 9:12,29; ampitahao amin'ny Jao. 1:14). Hita ao amin'ity toko ity koa ny fampitahana an'i Jesôsy amin'i Mosesy, tahaka ny ao amin'ny toko eo aloha (Jao. 9:28,29; ampitahao amin'ny Jao. 5:45,46 sy ny Jao. 6:32).

Mampatahotra tokoa ny fahajambana ara-panahy mahazo ireto mpitondra fivavahana ireto. Hoy ilay lehilahy jamba efa sitrana: "Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba. Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona lzy."— Jao. 9:32,33. Ireo mpitondra fivavahana anefa, dia ireo mpitarika ara-panahy ny firenena, ireo izay tokony ho nahafantatra voalohany an'i Jesôsy sy nanaiky Azy ho Mesia, izy ireo indray no tsy nahita izany, na dia teo aza ireo porofo mahery vaika rehetra. Na, raha ny marina, tsy te hahita izy ireo. Fampitandremana lehibe izany fa afaka mamitaka antsika tokoa ny fontsika!

Vakio ny 1 Kôr. 1:26-29. Mifanaraka tsara amin'ny toe-javatra vao noresahantsika ny ambaran'i Paoly eto; amin'ny fomba ahoana? Ahoana no fisehon'izany foto-kevitra izany na dia ankehitriny aza? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal