Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAHAFANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty

Daty
Alakamisy 10 October 2024

Toe-javatra mampalahelo no mameno ny Jao. 11 — ny vaovao ratsy momba ny aretin'ny sakaiza tiana iray (Jao. 11:1-3); ny fitomaniana noho ny nahafatesany (Jao. 11:19,31,33); ny fitarainan'ireo anabaviny ny amin'ny tsy naha-teo an'i Jesôsy satria raha teo Izy dia tsy ho faty toy izao ny anadahiny (Jao. 11:21,32); ary ny nitomanian'i Jesôsy (Jao. 11:35).

Taraiky anefa i Jesôsy. Roa andro taoriana Izy vao niainga ho any amin'i Lazarosy (Jao. 11:6), ary nolazainy aza fa faly Izy noho ny tsy nandehanany aloha (Jao. 11:14,15). Tsy avy amin'ny fangatsiaham-po tsy akory izany fihetsiny izany, fa mba hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.

Efa maty efatra andro i Lazarosy vao tonga ao amin'ny Jao. 11:17-27 isika. Inoana fa efa nisy fofona izany maty hefarana izany, araka ny tenin'i Marta hoe: "Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay."— Jao. 11:39. Tsy isalasalana fa nanjary nanaitra kokoa aza ilay fahagagana nitranga avy eo, vokatry ny fahataran'i Jesôsy. Natsangany ny maty efa maimbo! Inona indray no porofo hafa tokony homen'i Jesôsy mba hanehoana fa Andriamanitra izy?

Ary amin'ny maha-Andriamanitra Azy, Izay namorona ny aina tany am-piandohana, dia nanana hery handresena ny fahafatesana Izy. Nohararaotin'i Jesôsy io fotoana io, dia ny nahafatesan'i Lazarosy, mba hanambarana fahamarinana iray lehibe momba ny Tenany. "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay." — Jao. 11:25,26.

Vakio ny Jao. 11:38-44. Inona no nataon'i Jesôsy ho fanohanana ny fanambarany?

Tahaka ny nampisehoan'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny nampahiratany ilay lehilahy jamba fa Izy no fahazavan'izao tontolo izao (Jao. 9:7), dia natsangany tamin'ny maty i Lazarosy teto mba hanaporofoana fa Izy no fananganana ny maty sy fiainana (Jao. 11:25).

Manondro an'i Jesôsy ho Mpanome fiainana, ho Andriamanitra mihitsy, ity fahagagana ity, mihoatra noho ny fahagagana hafa rehetra. Manohana tsara ny hevitra voizin'i Jaona izany, fa Zanak'Andriamanitra tokoa i Jesôsy ary afaka manana fiainana amin'ny alalany isika, amin'ny alalan'ny finoana (Jao.). 20:30,31).

Any amin'ny faran'ity tantara mahatalanjona ity anefa (Jao. 11:45-54), izay betsaka no nino rehefa nahita izany (Jao. 11:45), dia misy toe-javatra mahatsikaiky sady mampalahelo. Nasehon'i Jesôsy fa mahay manangana amin'ny maty Izy, kanefa izao dia mihevitra ireto olona ireto fa hahasakana Azy amin'ny famonoana Azy ho faty! Ohatra maneho ny fahadalan'ny olombelona tokoa izany eo anatrehan'ny fahendrena sy ny herin'Andriamanitra! 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal