Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAMANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Ity tokoa Ilay Mpaminany

Daty
Alatsinainy 07 October 2024

Vakio ny Jao 6:14,15,26-36. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona manoloana ny fahagagana nataony, ary ahoana no nampiasan'i Jesôsy izany mba hampianarany azy ireo mikasika ny maha-lzy Azy?

Nanantena mesia eto an-tany, izay hanafaka azy ireo amin'ny fampahorian'ny fanjakana rômanina, ny mponin'ny Jodia. Ireto roa ireto no mampanano sarotra indrindra mandritra ny ady: ny famahanana ny vahoaka, ary ny fikarakarana ny marary sy ny maty. Nasehon'i Jesôsy tamin'ireo fahagagana nataony fa hainy atao ireo roa ireo.

Kanefa tsy izany no nahatongavany, ary tsy izany no tanjon'ny fahagagana nataony. Ny namahanana ireo olona dimy arivo dia nahafahan'i Jesôsy naneho kosa fa Izy no mofon'aina, ary Andriamanitra mihitsy no nidina avy any an-danitra. "Izaho no mofon'aina"hoy Izy, "izay manatona Ahy tsy mba ho noana"- Jao. 6:36.

lo no voalohany amin'ireo "Izaho no (...)" miisa fito ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ("mofon'aina" Jao. 6:35; "fahazavan'izao tontolo izao" Jao. 8:12; "varavarana" Jao. 10:7,9; "mpiandry tsara" Jao. 10:11,14; "fananganana ny maty sy fiainana" Jao. 11:25; "Ialana sy fahamarinana ary fiainana" Jao. 14:6; "tena voaloboka" Jao. 15:1,5). Samy manondro fahamarinana lehibe momba an'i Jesôsy ny tsirairay avy amin'ireo. Mampahatsiaro izay voalaza ao amin'ny Eks. 3 ny hoe "Izaho no (...)", izay nanehoan'Andriamanitra ny Tenany tamin'i Mosesy ho Ilay "IZAHO IZAY IZY" lehibe (ampitahao amin'ny Jao. 8:58). I Jesôsy no "IZAHO IZAY IZY" lehibe.

Tsy takatry ny vahoaka anefa izany rehetra izany.

"Tsy afa-po izy, ka velom-panontaniana hoe: Raha afaka nanao asa betsaka mahagaga tahaka izay efa natrehiny maso Jesôsy, nahoana Izy no tsy ho afaka hanome fahasalamana, hery sy harena ho an'ny olona rehetra, hanafaka azy amin'ny mpampahory azy ka hanandratra azy ho amin'ny fahefana sy ny voninahitra? Kristy milaza fa Izy llay nirahin'Andriamanitra, nefa manda ny ho Mpanjakan'Isiraely, dia zava-miafina tsy hainy takarina izany. Diso ny fandraisana io fandavany io. Betsaka no nihevitra fa tsy sahy manamafy ny fitakiany Izy satria Izy tenany aza misalasala ny maha-avy amin'Andriamanitra ny asa nanirahana Azy. Tamin'izany no nanokafany ny fony ho amin'ny tsy finoana, ka nampitsimoka tao aminy ny voa izay efa nafafin'i Satana, dia ny fandraisana diso ny teny sy ny fihemorana." - IFM, tt. 306,307 (ed. 2023).

Tombon-tsoa ara-nofo no nokatsahiny fa tsy fahamarinana maharitra hatramin'ny fiainana mandrakizay. Fandrika mety hahazo antsika rehetra izany raha tsy mitandrina isika.

Ahoana no tsy haharevo antsika loatra amin'ny zavatry ny tany ka hanadinoantsika ny zava-panahy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal