Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 10 January 2025

Vakio ny "Fivavahana sy Fiderana", toko faha-11 ao amin'ny DHK.

"Ento mandrakariva eo anoloan'Andriamanitra ny ilainao, ny fifalianao, ny fahorianao, ny fanahianao, ny tahotrao. Tsy hahasasatra na hahavalaka Azy ny anaovanao izany. Tsy hanao tsinontsinona izay ilain'ny zanany Ilay mahay manisa ny volon-dohanao. 'Miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po'- Jak. 5:11. Ny fony feno fitiavana dia mangoraka noho ny fahoriantsika, eny, na dia noho ny fitantarantsika ireny aza. Ento eo Aminy ny zavatra rehetra manahirana ny saina. Tsy misy zavatra mavesatra loatra ka tsy ho zakany, satria Izy no mitana izao tontolo izao, Izy no manapaka ny raharaha rehetra amin'izao tontolo izao. Tsy misy na inona na inona izay momba ny fiadanantsika azo atao hoe kely loatra ka tsy ho hitany. Tsy misy toko ao amin'ny zava-mihatra amintsika azo atao hoe maizina loatra, ka tsy ho voavakiny; tsy misy zava-tsarotra manahirana loatra, ka tsy ho hainy hazavaina. Tsy misy loza mahazo mihatra na dia amin'izay kely indrindra amin'ny zanany aza, tsy misy tebiteby mampijaly ny fanahy, tsy misy fifaliana mahamiramirana, tsy misy fivavahana marina navoaky ny vava, izay tsy voadiniky ny Raintsika Izay any an-danitra, na tsy nanaitra Azy niaraka tamin izay.

"Mahasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny feriny Sal. 147:3. Ny firaisan Andriamanitra sy ny fanahy tsirairay avy dia miavaka sady feno indrindra ohatra ny tsy nisy afa-tsy iny fanahy iny no nanomezany ny Zanany malalany." - DHK, tt. 114, 115 (ed. 2018).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra:

1. Saintsaino ny fehezanteny teo ambony hoe: "Ny firaisan'Andriamanitra sy ny fanahy tsirairay avy dia miavaka sady feno indrindra ohatra ny tsy nisy sy afa-tsy iny fanahy iny no nanomezany ny Zanany malalany." Inona ny fampaherezana atolotr'izany ho anao, ary manao ahoana no tokony ho fiainanao noho ny fahafantaranao fa akaiky anao Andriamanitra ary miahy anao? Ahoana no hianaranao miaina ny fahamarinan'izany teny fikasana mahafinaritra izany? Alao sary an-tsaina hoe tena mino izany marimarina ianao isan'andro.

2. Raha ampifandraisina amin'ny lesona tamin'ity herinandro ity, ahoana ny fahatakaranao ny Sal. 103:17,18? Inona no ambaran'izany momba ny maha-mandrakizay ny fitiavan'Andriamanitra nefa koa miankina amin'ny fandraisana izany Fitiavana izany no hahazoantsika ireo tombontsoa avy amin'ny fifandraisana Aminy?

3. Manova zavatra eo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra ve izany, amin'ny fomba ahoana? Inona no fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fiheveranao ny fahorian'ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal