Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Fitiavan’Andriamanitra miorina amin’ny fanekena .

Daty
Alatsinainy 06 January 2025

Matetika ny Baiboly no maneho fifamatoram-pitiavana manokana ifandraisan' Andriamanitra amintsika amin'ny fampiasana fanoharana momba ny mpianakavy na ny mpianaka. Ampiasainy manokana ny fanoharana momba ny fitiavan'ny mpivady na ny fitiavan'ny reny mendrika ny zanany. Ampiasaina ireny fanoharana ireny mba hanehoana ny fifandraisana manokana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoaka izay nanaovany fanekena. Fifandraisana miorina amin'ny fitiavana araka ny fanekena izany, tsy ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany irery no hita ao fa ny fanantenany koa fa handray io Fitiavana io ny vahoakany ary ho tia Azy (sy ho tia ny hafa) ho setrin'izany.

Vakio ny Deo. 7:6-9. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fifandraisan'ny fanaovan’Andriamanitra fanekena sy ny famindrampony?

Manoritsoritra karazam-pitiavana iray manokana izay itiavan'Andriamanitra ny vahoaka nanaovany fanekena ny fifandraisana izay miankina amin'ny fitoeran'izy ireo ho mahatoky na tsia izany. Tsy misy fepetra ny fitiavan'Andriamanitra fa misy fepetra kosa ny fifandraisany amin'ny vahoakany araka ny fanekena.

Ny teny izay nadika hoe "famindrampo" ao amin'ny Deo. 7:9, hesed, mihitsy no mampiseho ny fanekena ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra (ary mihoatra noho izany aza). Matetika ny teny hoe hesed no ampiasaina mba hilazalazana ny fahalehibeazan'ny famindrampon’ Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny fitiavany. Ankoatra izany, ny hesed dia manondro ny famindrampo na ny fitiavana mafy orina izay itiavana ny ankilany ao anatin'ny fifandraisana iray isian'ny fitia mífamaly. Manorina fifandraisana tahaka izany koa io fitiavana io, ary manantena ny ankilany mba hanisy setriny izany.

Ny hesed an'Andriamanitra dia maneho fa azo itokiana sy mafy orina ary mandrakizay ny famindrampony. Etsy andanin'izany anefa, dia misy fepetra ny fandraisana ireo tombontsoan'ny hesed; miankina amin'ny fetezan'ny olona hankato sy hanaja ny teny nomeny ao anatin'ilay fifandraisana izany (jereo ny 2 Sam. 22:26; 1 Mpanj. 8:23; Sal. 25:10; Sal. 32:10; 2 Tant. 6:14).

Ny fitiavan'Andriamanitra mafy orina no fototry ny fifamatoram-pitiavana rehetra, ary tsy manam-paharoa izany fitiavana izany. Tsy ny fiainana fotsiny no nomen'Andriamanitra antsika maimaimpoana, fa natolony antsika maimaimpoana ao amin'i Kristy koa ny Tenany. "Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Jao. 15:13. Tsy isalasalana fa ny fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan'Andriamanitra dia natao rehefa "nanetry tena [ny Tompo] ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana," - Fil. 2:8.

Inona avy ireo fomba ahafahanao mandrakitra ao an-tsaina mandrakariva ny maha-zava-misy marina ny fitiavan'Andriamanitra? Nahoana no zava-dehibe ny fanaovana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal