Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - fianarana fanampiny

Daty
Zoma 11 April 2025

Vakio ny VM, toko 58: "Ny Apôkalipsy", tt. 513-516.

Ny ankamaroan'ny fivavahan'izao tontolo izao dia mianina amin'ny fanazavana hevitra; misy fiavahana lehibe kosa ny fivavahana Kristianina, izay miorina lalina amin'ny tantara. Tantaran'ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olombelona eo amin'ny tantara manontolo ny Baiboly, ary ny fandinihantsika izany fifandraisana nandritra ny arivo taona maro izany dia mampianatra zavatra betsaka antsika momba ny toetran'Andriamanitra tsy miovaova.

Indraindray anefa mitaraina ny Kristianina fa sasatry ny mandre hafatra mitovy hatrany izy ireo. Mazàna, rehefa torina amin'ny rehetra ny hafa-paminaniana mampiavaka antsika, dia mieritreritra isika fa efa nandre izany ka tsy misy zava-baovao ampianarina antsika amin'izany.

Ny toetra tsy miovaova sy marina ananan'ny hafatra entintsika anefa dia tsy midika fa tsotra loatra izany na tsy misy zava-tsarotra takin'izany. Ny mifanohitra amin'izany, rehefa dinihintsika ny hafatra omena antsika avy tao an-tsain'Andriamanitra tsy manam-petra, dia ho hitantsika vetivety foana fa hanovo mandrakariva ao amin'ny lohahevitra iray isika, kanefa tsy mety ho ritra mandrakizay izany.

Anisan'ny antony nanoratana ny bokin'ny Apokalipsy nofaritan'i Ellen G. White ny mba hampiorenana ny fiangonana kristianina amin'ny hafatra ara-tantara entiny ho an'ny vanim-potoana rehetra. "Nisy sasantsasany tamin'ny mpanompon'Andriamanitra mbola tanora fanahy [tamin'izany fotoana izany] (...) tsy nifikitra nifikitra intsony tamin'ireny fahamarinana fantatra loatra ireny. Zavatra tsy mbola fahita sy marevaka jerena no notadiaviny; koa dia niezaka izy mba hampiditra zava-baovao mamim-bahoaka." - VM, tt. 514,515. Araka izany dia tsy boky momba ny hoavy fotsiny izany, fa boky momba ny lasa koa, natao hampiorina antsika amin'ny finoana ara-tantara, mba tsy ho voafitaky ny faniriana hitady zava-baovao isika.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Mahita hevitra sy fahatakarana vaovao mandrakariva isika ao amin'ny Soratra Masina. Ahoana no ahafahantsika mianatra zava-baovao kanefa sady tsy manadino ny maha-zava-dehibe ny tokony hiorenantsika mafy amin'ireo fahamarinana efa nomena antsika?

2. Ahoana no tokony ho fihetsiky ny fiangonana manoloana ireo hevitra vaovao entina hanazavana ny faminaniana? Fantatsika fa manan-java-baovao lanarana mandrakariva isika, kanefa ahoana no ahaizantsika manavaka raha tena ilaina tokoa ilay fahazavana vaovao, na sao dia fironan'ny besinimaro fotsiny izany, na koa fahadisoana mihitsy aza?

3. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, raha teo ambavahoana ny tantsambo iray tany Pasifika, dia hoy izy tamin'ilay mpitsabo mpanampy: "Kamboty aho. Iza no mba hahatsiaro ahy rehefa maty aho?" Dia namaly ilay mpitsabo mpanampy hoe: "Tsy hanadino anao aho fa hahatsiaro anao mandrakariva". Na feno hatsaram-panahy aza ny tenin'io mpitsabo mpanampy lo, na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho faty koa izy, ary hiara-maty aminy ny fahatsiarovana ilay kamboty. Ahoana no anampian'io tantara io antsika hahatakatra fa tsy misy antony na heviny ny fiainantsika manontolo raha toa ka ny fahafatesana no tompon'ny teny farany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal