Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - fianarana fanampiny

Daty
Zoma 11 April 2025

Vakio ny VM, toko 58: "Ny Apôkalipsy", tt. 513-516.

Ny ankamaroan'ny fivavahan'izao tontolo izao dia mianina amin'ny fanazavana hevitra; misy fiavahana lehibe kosa ny fivavahana Kristianina, izay miorina lalina amin'ny tantara. Tantaran'ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olombelona eo amin'ny tantara manontolo ny Baiboly, ary ny fandinihantsika izany fifandraisana nandritra ny arivo taona maro izany dia mampianatra zavatra betsaka antsika momba ny toetran'Andriamanitra tsy miovaova.

Indraindray anefa mitaraina ny Kristianina fa sasatry ny mandre hafatra mitovy hatrany izy ireo. Mazàna, rehefa torina amin'ny rehetra ny hafa-paminaniana mampiavaka antsika, dia mieritreritra isika fa efa nandre izany ka tsy misy zava-baovao ampianarina antsika amin'izany.

Ny toetra tsy miovaova sy marina ananan'ny hafatra entintsika anefa dia tsy midika fa tsotra loatra izany na tsy misy zava-tsarotra takin'izany. Ny mifanohitra amin'izany, rehefa dinihintsika ny hafatra omena antsika avy tao an-tsain'Andriamanitra tsy manam-petra, dia ho hitantsika vetivety foana fa hanovo mandrakariva ao amin'ny lohahevitra iray isika, kanefa tsy mety ho ritra mandrakizay izany.

Anisan'ny antony nanoratana ny bokin'ny Apokalipsy nofaritan'i Ellen G. White ny mba hampiorenana ny fiangonana kristianina amin'ny hafatra ara-tantara entiny ho an'ny vanim-potoana rehetra. "Nisy sasantsasany tamin'ny mpanompon'Andriamanitra mbola tanora fanahy [tamin'izany fotoana izany] (...) tsy nifikitra nifikitra intsony tamin'ireny fahamarinana fantatra loatra ireny. Zavatra tsy mbola fahita sy marevaka jerena no notadiaviny; koa dia niezaka izy mba hampiditra zava-baovao mamim-bahoaka." - VM, tt. 514,515. Araka izany dia tsy boky momba ny hoavy fotsiny izany, fa boky momba ny lasa koa, natao hampiorina antsika amin'ny finoana ara-tantara, mba tsy ho voafitaky ny faniriana hitady zava-baovao isika.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Mahita hevitra sy fahatakarana vaovao mandrakariva isika ao amin'ny Soratra Masina. Ahoana no ahafahantsika mianatra zava-baovao kanefa sady tsy manadino ny maha-zava-dehibe ny tokony hiorenantsika mafy amin'ireo fahamarinana efa nomena antsika?

2. Ahoana no tokony ho fihetsiky ny fiangonana manoloana ireo hevitra vaovao entina hanazavana ny faminaniana? Fantatsika fa manan-java-baovao lanarana mandrakariva isika, kanefa ahoana no ahaizantsika manavaka raha tena ilaina tokoa ilay fahazavana vaovao, na sao dia fironan'ny besinimaro fotsiny izany, na koa fahadisoana mihitsy aza?

3. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, raha teo ambavahoana ny tantsambo iray tany Pasifika, dia hoy izy tamin'ilay mpitsabo mpanampy: "Kamboty aho. Iza no mba hahatsiaro ahy rehefa maty aho?" Dia namaly ilay mpitsabo mpanampy hoe: "Tsy hanadino anao aho fa hahatsiaro anao mandrakariva". Na feno hatsaram-panahy aza ny tenin'io mpitsabo mpanampy lo, na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho faty koa izy, ary hiara-maty aminy ny fahatsiarovana ilay kamboty. Ahoana no anampian'io tantara io antsika hahatakatra fa tsy misy antony na heviny ny fiainantsika manontolo raha toa ka ny fahafatesana no tompon'ny teny farany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal