Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ilay fitsipiky " ny filazana voalohany"

Daty
Alahady 06 April 2025

Ny ankamaroan'ny fandaharam-pianarana any amin'ny oniversite dia manomboka amin'ny taranja ankapobeny (matetika omena ny laharana "101"), taranja mahafaoka Ireo foto-kevitra ankapobeny manan-danja, izay ho fototra iaingan'ny fianarana lalindalina kokoa arakaraka ny irosoana ao anatin'ilay lohahevitra. Toy izany koa, rehefa mamaky ny Baiboly manontolo isika, dia hahita fa manana taranja ankapobeny koa Andriamanitra ao amin'ny bokin'ny Genesisy, izay ampidirany hevitra izay hodinihina amin'ny tsipiriany kokoa manerana ny Baiboly manontolo.

Ho hitantsika ankapobeny fa ny filazana voalohany hevitra iray na famantarana ao amin'ny Baiboly - indrindra ao amin'ireo toko voalohany ao amin'ny Genesisy - dia mametraka fahalalana ankapobeny momba izany hevitra izany, izay hanampy antsika hahatakatra ny fampiasana azy any aoriana.

Ny "lalàn'ny filazana voalohany" no iantsoan'ireo mpianatra Baiboly sasany izany, na dia fitsipika (na lamina) aza, fa tsy lalána no tena tokony hilazana azy, satria tsy voatery ho raikitra izany, ary misy maningana maro. Ny lamina hita, na amin'ny fandinihana ny Baiboly ankapobeny na ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly, dia ity: ampitomboin'Andriamanitra tsikelikely ny fahalalan'ny zanany araka ny fandehan'ny fotoana, ka atombony amin'ny hevitra fototra izany, ary avy eo itariny hatrany araka ny androsoan'ny taona, na ny taonjato mihitsy aza.

Vakio ny Isa. 40:7,8; Mal. 3:6; sy ny Heb. 13:8. Inona ny fitsipika azonao raisina avy amin'ireo andininy ireo, izay hanampy anao amin'ny fandinihana araka ny tokony ho izy ny faminaniana?

"Izay heverina ho fahamarinana" fa tsy ny "fahamarinana" no tena resahina betsaka ao amin'ny tontolo môderina, satria heverina ho zavatra azo ovana sy miovaova arakaraka ny fandehan'ny fotoana ny "fahamarinana". Ary amin'ny toe-javatra sasany aza, ny hevitry ny atao hoe "fahamarinana" mihitsy no heverina ho mampiahiahy.

Rehefa mamaritra ny fahamarinana kosa Andriamanitra, dia tsy miova hevitra Izy. Rehefa manomboka mampianatra fahamarinana iray amin'ny vahoakany Andriamanitra, dia azo antoka fa raha hita miverimberina ny fitsipika na ny lohahevitra mifandraika aminy ao amin'ny Baiboly, dia tsy mampiova ny heviny izany fa ny mifanohitra amin'izany, manazava azy misimisy kokoa izany. Koa ilaina tokoa ny manana fahatakarana tsara ny bokin'ny Genesisy rehefa mandinika ny faminaniana, sy ny mitahiry an-tsaina izany fahalalana izany eo am-pandinihana ny Baiboly manontolo - satria ao no anazavana voalohany ireo hevitra fototra maro.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy amelantsika na iza na iza, na inona na inona, handemy ny finoantsika ireo fahamarinana tsy miovaova ao amin'ny Balboly, na dia amin'ny fomba toa malefaka sy mitombina aza? Amin'ny fomba ahoana Izay meły hisoko mangina no isehoan'izany fandemena Izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal