Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny menarana.

Daty
Alakamisy 10 April 2025

Lohahevitra manan-danja ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy ny fiankohofana. Antsoina hoe "dragona" ilay tompon'ny fiankohofana sandoka sy mpitaona ny olona ho amin'izany (Apôk . 13:2-4), ary tsy kisendrasendra ny amaritana azy ho menarana. Mampahatsiahy antsika mazava ny tao Edena izany, izay nitaoman'ny menarana an'i Adama sy i Eva hanaraka azy ao anatin'ny fikomiany amin'ny Mpahary.

Ampitahao ny Gen. 3:1-5 sy ny Apôk. 12:1-9. Inona ny lohahevitra Itovian'ireo tantara roa ireo? Diniho ireo tsipiriany omena antsika momba ny menarana ao amin'ny Genesisy; ahoana no anampian'izany antsika hahafantatra ireo olana sasantsasany nahatonga ilay ady tany an-danitra voalaza ao amin'ny Apôkalipsy?

Misy tantara anankiroa ao amin'ny Soratra Masina, izay amitahan'i Satana an'izao tontolo izao: ao amin'ny Genesisy, izay tsy ahitana afa-tsy olona roa; ary ao amin'ny Apokalipsy, izay ilazana an'i Satana hoe: "izay mamitaka izao tontolo izao" - Apôk. 12:9, sy mitaona "ny tany rehetra" hiankohoka aminy (Apôk. 13:2-4). Anisan'ny lohahevitra hita ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly ny toetra tsy miovaova ananan'ilay fifanandrinana lehibe. Tsy miova ny toetran'Andriamanitra sy ny Teniny, tahaka izany koa ny fikasan'ny devoly.

Soa ihany fa noho io toetra tsy miovaovan'ilay fifanandrinana lehibe io, ary satria koa misy filazana mazava ao amin'ny faminanian'ny Soratra Masina, dia azon'ny Kristianina avahana tsara ireo fironana isan-karazany, ary manjary hitany ireo fandrika ara-panahy amelezana azy. Tsy hiova mihitsy ny toetran’Andriamanitra, ary toy izany koa ny devoly. Mety hanova ny endriny injato inarivo i Satana, kanefa ny tantaran'ny fahalavoan'ny olombelona tao anatin'ny arivo taona maro, sy ny voalazan'ny faminaniana ao amin'ny Apôkalipsy, dia manaporofo fa tsy miala amin'ilay drafitra efa narahiny hatrany Edena mihitsy izy. Nampanantena fahendrena sy fahaiza-manavaka antsika Andriamanitra (Jak. 1:5), ary satria azontsika antoka ny Soratra Masina dia tsy voatery ho latsaka ao amin'ny fandriky ny laingan'ny devoly isika. Indrisy anefa fa marobe ireo efa latsaka tamin'izany, ary marobe koa no mbola ho latsaka.

Eritrereto ny amin'ny fivoaran'ny kolontsaina araka ny fandehan'ny fotoana. Miova ireo fifsipika eo amin'ny fiarahamonina; ireo zavatra azo nekena fahiny manjary tsy azo ekena ankehitriny, na ny mifamadika amin'izany. Raha fantatra fa tsy miova ireo lohahevitra sy ireo mpandray anjara amin'ilay fifanandrinana lehibe, inona no tokony ho ao an-tsain'ny Kristianina eo am-pandinihany ny fiovaovan'ny kolontsaina? Aiza ho aiza ao amin'ny kolontsaina misy antsika ankehitriny, ohatra, no ahitana ilay laingan'ny devoly tany am-piandohana hoe: "Tsy ho faty tsy akory hianareo" sy ny hoe: "ho tahaka an'Andriamanitra hianareo"?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.
Sun 27 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra
Mon 28 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2
Tue 29 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7
Wed 30 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina
Thu 01 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray
Fri 02 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.
Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal