Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA -Sarobidy lavitra noho izay mety ho takatry ny sainao.

Daty
Alahady 12 January 2025

Araka ny efa hitantsika tamin'ny lesona teo aloha dia tsy misy olona na iray aza, na mpanota sy mpanao ratsy toy inona aza, ka tsy tian'Andriamanitra.

Vakio ny Lio. 15:11-32. Inona no ambaran'ny fanoharana momba ny zanaka adala ny amin'ny fangorahan'Andriamanitra sy ny fitiavany? Inona ny fampitandremana omen'izany ho an'ireo izay mitoetra ao an-tokantrano, tahaka llay zanaka anankiray ao amin'ny fanoharana?

Ao amin'io tantara nataon'i Jesôsy io dia nangatahin'ilay zanaka mialoha tamin'ny rainy ny anjara lovany, izay maneho ny fandavany ny rainy sy ny ankohonany. Avy eo dia nandanilany foana izany lova izany ilay zanaka adala ary tonga mahantra sy noana, ka nitsirinitra ireo kisoa izay nanan-kanina. Nony tsaroany fa manana sakafo manana amby ampy ireo mpanompo ao an-tranon- drainy, dia nanapa-kevitra ny hody izy, nanantena ho tonga mpanompo.

Mahatalanjona ny tohiny. Ny raim-pianakaviana sasany dia mety handroaka ny zanaka toy izany raha tahiny miverina izy. "Efa nalainao ny anjara lovanao, efa nisaraka tamin'ny ankohonana ianao. Tsy manana anjara fonenana ato intsony ianao." Ho nitombina tokoa izany fihetsika izany, ary rariny aza, sa tsy izany? Ho an'ny ray aman-dreny sasany dia efa lasa lavitra loatra izany zaza izany ka tsy azo ekena intsony ny hiverenany, indrindra amin'ny maha-zanaka azy.

Ao amin'ny fanoharana anefa dia tsy mba toy izany ny fihetsik'ilay ray (izay maneho an'Andriamanitra). "Fa raha mbola lavitra izy (ilay zanaka adala), dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy." - Lio. 15:20. Na fihetsika tsy mendrika hataon'ny loham- pianakaviana tamin'izany andro izany aza ny mihazakazaka mivoaka ny trano hitsena olona iray, ity ray ity kosa, izay feno fangorahana, dia nihazakazaka nitsena ny zanany, ary tsy izany ihany fa noraisiny ho anisan'ny ankohonany indray izy ary nanaovany fanasana manokana mihitsy aza. Maneho izany fa feno fangorahana ny olona tsirairay izay mania Andriamanitra, ary mahafaly azy tokoa ny fiverenan'ny zanany, na anankiray monja aza, ao an-tokantrano. Manao ahoana re izany toetran'Andriamanitra izany e!

Mahaliana ny fihetsik'ilay zanaka anankiray. Nahoana no mitombina sy rariny amin'ny maha-olombelona tokoa ny fihetsiny? Inona anefa no ampianarin'lo tantara io antsika momba ny tsy fahatakarantsika ny tena hevitry ny filazantsara sy ny halalin'ny fitiavan' Andriamanitra antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal