Vakio ny 1 Kor. 1:10. Araka ny hevitrao, inona no tian'i Paoly ambara amin'ny hoe: "mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra"?
Eto, ny fiforonan'ny fitsitokotokoana dia naneho ny fandavana tsy hilefitra amin'i Kristy (1 Kor. 1:10). Andriamanitra dia niantso antsika hanana "firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika" - 1 Kor. 1:9. I Kristy no Tompontsika, ary Izy no tsy maintsy ho ivon'ny fiainantsika. Noho izany, ny valin'ireo fanontaniana mampieritreritra hoe: "Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?" - 1 Kor. 1:13, dia "Tsia!" mazava. Tsy voazara i Kristy; Izy no voahombo teo amin'ny hazo fijaliana ho antsika, ary isika natao batisa «amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina» - Mat. 28:19.
Ambaran'i Paoly fa isika «no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa» - 1 Kor. 12:27. Na manana rantsana maro aza ny vatana - izay samy manana ny anjara asany dia tena iray ihany. Tsy maintsy manao ny asany araka ny fahaizany avy ny rantsana tsirairay raha tiana hiasa araka ny tokony ho izy ny vatana. Mampiseho io sary an'ohatra io fa firaisan-tsaina no tadiavin'i Paoly, fa tsy fitoviana fotsiny. Mihoatra noho izany, maniry ny isian'ny firaisana izy na dia eo aza ny fahasamihafana.
Tsy maintsy ampileferina eo ambany fahefan'i Kristy Tompontsika ny fisainana sy ny hevitra rehetra. Ny maha-Tompontsika an'i Kristy dia lohahevitra manan-danja lehibe ho an'i Paoly, hany ka averimberiny matetika izany eo am-panombohany ny 1 Kor. (1 Kor. 1:2,7,8,9,10). Koa alohan'ny niresahan'i Paoly momba ny fisarahana sy momba ireo olombelona mpitarika, dia nantitranteriny fa manana an'i Jesôsy ho Tompo isika rehetra. Tsy mifantoka amin'ny olombelona mpitarika ny fiangonana. Mifantoka amin'i Jesosy kosa ny Kristianina.
Ny fanamafisana ny maha-Tompo an'i Jesosy eo amin'ireo andininy voalohandohany ao amin'ny 1 Korintiana dia manampy antsika hahatakatra ny tian'i Paoly hambara amin'ny hoe: "Mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra" 1 Kor. 1:10. Avy amin'ny matoanteny katartiző ny teny grika nadika hoe «hiray»; izay manondro fa misy zavatra tokony haverina amin'ny laoniny. Rehefa mitsitokotoko mivondrona manodidina olona mpitarika ny mambra, dia tsy maintsy haverina amin'ny laoniny, araka ny tokony ho izy, ny fifandraisana eo anivon'ny fiangonana, ary azo atao izany amin'ny alalan'ny firaisana ao amin'i Kristy sy ny fahafatesan'ny "izaho" izay aterak'izany.
Folo taona maro lasa izay, novoizina teo amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny amin'ireo tarika madinika mpiara-mandinika ny Baiboly. Inona no maha-samy hafa ny fitsitokotokoana sy ny tarika madinika? Ahoana no hitandremantsika mba tsy hanjary fitsitokotokoana Ireo tarika madinika ireo?