Hitantsika tamin'ny herinandro ny nampiasan'Andriamanitra an'i Elia mpaminany hanao asa lehibe tany Isiraely, na dia teo aza ny fanoherana nivaivay. Tsy mampino tokoa izay nataon'i Jehovah tamin'ny alalany. Kanefa, inona no voalaza momba azy?
Saintsaino ny teny nentin'i Jakoba niresaka momba an'i Elia mpaminany, ao amin'ny Jak. 5:17,18. Inona no tiany hambara amin'ny filazana fa "olona tahaka antsika ihany" i Elia?
Fandresena sy fahombiazana lehibe no azon'i Elia teo an-tendrombohitra Karmela (1 Mpanj. 18). Niasa tamin-kery tamin'ny alalany Andriamanitra, ary ny iray amin'ireo fahagagana mahatalanjona indrindra voarakitry ny Testamenta Taloha no niseho tamin'izay: tamin'ny tenin'i Elia ihany dia nilatsaka ara-bakiteny avy any an-danitra ny afo (1 Mpanj. 18:38)! Tokony ho faly indrindra ity lehilahin'Andriamanitra ity taorian'ny zava-nitranga lehibe tahaka izany.
Vakio ny 1 Mpanj. 19:1-16. Inona no ambaran'izany momba ny toe-pon'ilay mpaminanin'i Jehôvah ?
"Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho." - 1 Mpanj. 19:4. Toy ny olona tratry ny fahaketrahana ara-tsaina no manao izany teny izany. Nahoana? Eny tokoa, tsy mora tokoa ny manohy ny asa taorian'izay nitranga teo an-tendrombohitra Karmela; kanefa, misy zavatra hafa koa mitranga eto.
Angamba ao amin'ireto teniny ireto no ahitana ny valin'izany: "Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehôvah , Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy." - 1 Mpanj. 19:10. Toa mitaraina noho izay heveriny ho tsy fahombiazany teo amin'ny asa fanompoana nataony izy. Mbola nitohy ny fihemorana na dia niezaka mafy araka izay tratry ny heriny aza izy, toy ny hoe izy irery no afaka nampitsimbadika ny toe-java-misy. Na inona na inona tena nitranga teto, dia hitantsika ny maha olombelona sy marefo an'ity lehilahin'Andriamanitra ity. Raha lazaina amin'ny teny hafa, "Elia dia olona tahaka antsika ihany."
Nahoana no mora amintsika indraindray ny mahatsapa fa toa "tsy mahomby" isika eo amin'ny fiainana na ny tetikasantsika? Inona ny teny fikasan'ny Baiboly azonao takina mba hanampy anao handresy ny fahakiviana?