Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Ilay ampakarina tsara tarehy.

Daty
Alatsinainy 14 April 2025

Maneho amintsika sary mahatalanjona momba ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany ny Ezek. 16. Ampitahain'Andriamanitra amin'ny zaza nariana sy navelan-dreniny ho faty tany an-tsaha ny vahoaka Isiraely. Izy no nitondra izany zaza izany nody sy nanadio azy, ary rehefa lehibe ilay zazavavy dia nalainy ho vady. Sary iray lehibe maneho fanambadiana tsy dia fahita izany.

Vakio ny Ezek. 16:4-14. Manome lesona momba ny fikasan'Andriamanitra ho antsika ireo tsipirian-javatra maneho ny fanandratana ilay ampakarina; inona izany lesona izany?

Nambaran’Andriamanitra tamin'ny Isiraely fa teo ambany fikarakarany no nahatonga azy "nihatsara tarehy " Ezek. 16:13. Tsy nisy nahita hatsaran-tarehy teo amin-dravehivavy tamin'ny fotoana voalohany nahitan'Andriamanitra azy; tsy tahaka ny zaza hafa rehetra izy fa nariana ary nantenaina ho faty. Nihanitombo anefa ny hatsaran-tarehiny rehefa nikarakara azy fatratra Andriamanitra; nanjary anton-dresaki’zao tontolo izao mihitsy aza izy. Nandritra ireo fotoana voalohany nanjakan'ireo mpanjaka hebreo, teo ambany fanapahan'i Davida sy i Sôlômôna, no nahitana indrindra ny fahamarinan'izany. Nanao dia lavitra manokana mihitsy aza ny mpanjakavavin'i Étiôpia mba hahita maso ny famirapiratan'ny Isiraely!

Fanomezana avy amin'Andriamanitra anefa ny hatsaran-tarehin'ny Isiraely. Nambaran’Andriamanitra fa ny hatsaran-tarehiny dia "tanteraka (...) noho ny voninahitro izay nataoko taminao" - Ezek. 16:14.

Lohahevitra miverimberina ao amin'ny Baiboly izao: tsara tarehy ilay ampakarin'Andriamanitra ho vady, tsy noho izay nataon-dravehivavy izany fa noho ny zava-tsoa natobakAndriamanitra taminy sy nanaovany azy ho toy izany. Tahaka izany koa, tsara tarehy eo imason'ny lanitra ny mpino, tsy noho ny zavatra nataony mba hahamendrika azy fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famonjena natolony antsika. Tsara tarehy isika satria manarona antsika ny "fahamarinan’Andriamanitra." - 2 Kôr. 5:21.

Nizotra tsara ny zava-drehetra mandra-pahatonga eo amin'ny andalan-teny manaraka ao amin'ny bokin'i Ezekiela: "kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany." - Ezek. 16:15.

Nohariana mba haneho taratra ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny voninahiny isika. Rehefa heverin'ireo zavaboarin'Andriamanitra fa ny tenany ihany no tompon'ny hatsaran-tarehiny, dia mihena ny fanombanana izany hatsaran-tarehy izany, ary miandry azy sahady ny olana samihafa.

Inona avy ireo loza ateraky ny fitokiantsika amin'ny "hatsaran-tarehintsika"? Raha lazaina amin'ny teny hafa, ahoana no mety iheverantsika fa misy zavatra momba antsika izay mahatonga antsika hahazo sitraka eo anatrehan’Andriamanitra sy ho mendrika ny fitiavany? Ahoana no iambenantsika mandrakariva tsy ho tratry ny avonavona ara-panahy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal