Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Isaka sy Rebeka.

Daty
Alarobia 16 April 2025

Rehefa antitra i Abrahama, ary azo antoka fa nieritreritra momba ireo teny fikasana nataon'Andriamanitra taminy momba ny taranany (jereo ny Gen. 15:5), dia nampanaoviny asa iray lehibe ny mpanompony zokiolona sy nitokiany indrindra.

Vakio ny Gen. 24:1-4. Nahoana no zava-dehibe loatra tamin'i Abrahama ny tsy hakan'ny zanany lahy vady amin'ny "zanakavavin'ny Kananita" - Gen. 24:3?

Na dia toa maneho fanavahana aza ny hafatrafatr'i Abrahama, dia mahakasika ny lafiny ara-panahy izany fa tsy ara-poko. Fantatr'i Abrahama tsara ny faharatsiam-pitondrantena tao anatin'ny fomba fanao ara-pivavahan'ireo Kananita, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiankohofany tamin'ireo andriamanitra sandoka, ary fantany fa ho mora foana ny hahalavo ny zanany lahy ao anatin'ny fanarahana ireo fomba fanao ireo raha toa izy maka vady eo amin'izy ireo.

Eny tokoa, ny tantaran'ny ankamaroan'ny olona tamin'ny Isiraely fahiny, eny fa na ny fiangonana kristianina manerana ny taonjato maro koa aza, dia nahitana ny vahoakan'Andriamanitra babon'izao tontolo izao sy ny fampianaran-disony ary ny fivavahana tsy izy, nefa izy ireo no tokony hijoro ho vavolombelona amin'izao tontolo izao. Azo heverina fa ny fametrahana ny Alahady izay andron'ny masoandron'ny jentilisa ho eo amin'ny toeran'ny Sabata andro fahafiton'ny Baiboly no ohatra lehibe maneho izany zava-misy mampalahelo izany. Toe-javatra izay hitana anjara toerana manan-danja amin'ny andro farany izany.

Vakio ny Gen. 24:57-67. Inona ny lesona azontsika sintonina momba an'i Kristy sy ny fiangonany avy amin'ireo tsipirian-javatra vitsivitsy hita ao anatin'io tantara io? Inona, ohatra, ny lesona azo sintonina momba ny toetra maha-lavo antsika raha jerena ny maha-havan'i Isaka lavitra an-dRebeka?

Tsy isalasalana ny fifandraisana ananantsika amin'ilay Mpamorona antsika noho isika nohariana araka ny Endriny tany am-piandohana. Tafasaraka taminy isika noho ny fahotana, nefa mbola raisiny tahaka ny vady mendrika ihany na dia mitondra olana ho an'izany fanambadiana izany amin'ny alalan'ireo safidy ataontsika aza.

Tia antsika, izay vadiny, tokoa Andriamanitra; eny mihoatra noho ny fitiavantsika Azy aza. Inona avy ireo safidy azontsika atao sy tokony hataontsika isan'andro mba hanamafisana ny fitiavantsika an'Andriamanitra? Etsy ankilan'izany, inona ny safidy izay hamono izany fitiavantsika izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal