Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Isaka sy Rebeka.

Daty
Alarobia 16 April 2025

Rehefa antitra i Abrahama, ary azo antoka fa nieritreritra momba ireo teny fikasana nataon'Andriamanitra taminy momba ny taranany (jereo ny Gen. 15:5), dia nampanaoviny asa iray lehibe ny mpanompony zokiolona sy nitokiany indrindra.

Vakio ny Gen. 24:1-4. Nahoana no zava-dehibe loatra tamin'i Abrahama ny tsy hakan'ny zanany lahy vady amin'ny "zanakavavin'ny Kananita" - Gen. 24:3?

Na dia toa maneho fanavahana aza ny hafatrafatr'i Abrahama, dia mahakasika ny lafiny ara-panahy izany fa tsy ara-poko. Fantatr'i Abrahama tsara ny faharatsiam-pitondrantena tao anatin'ny fomba fanao ara-pivavahan'ireo Kananita, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiankohofany tamin'ireo andriamanitra sandoka, ary fantany fa ho mora foana ny hahalavo ny zanany lahy ao anatin'ny fanarahana ireo fomba fanao ireo raha toa izy maka vady eo amin'izy ireo.

Eny tokoa, ny tantaran'ny ankamaroan'ny olona tamin'ny Isiraely fahiny, eny fa na ny fiangonana kristianina manerana ny taonjato maro koa aza, dia nahitana ny vahoakan'Andriamanitra babon'izao tontolo izao sy ny fampianaran-disony ary ny fivavahana tsy izy, nefa izy ireo no tokony hijoro ho vavolombelona amin'izao tontolo izao. Azo heverina fa ny fametrahana ny Alahady izay andron'ny masoandron'ny jentilisa ho eo amin'ny toeran'ny Sabata andro fahafiton'ny Baiboly no ohatra lehibe maneho izany zava-misy mampalahelo izany. Toe-javatra izay hitana anjara toerana manan-danja amin'ny andro farany izany.

Vakio ny Gen. 24:57-67. Inona ny lesona azontsika sintonina momba an'i Kristy sy ny fiangonany avy amin'ireo tsipirian-javatra vitsivitsy hita ao anatin'io tantara io? Inona, ohatra, ny lesona azo sintonina momba ny toetra maha-lavo antsika raha jerena ny maha-havan'i Isaka lavitra an-dRebeka?

Tsy isalasalana ny fifandraisana ananantsika amin'ilay Mpamorona antsika noho isika nohariana araka ny Endriny tany am-piandohana. Tafasaraka taminy isika noho ny fahotana, nefa mbola raisiny tahaka ny vady mendrika ihany na dia mitondra olana ho an'izany fanambadiana izany amin'ny alalan'ireo safidy ataontsika aza.

Tia antsika, izay vadiny, tokoa Andriamanitra; eny mihoatra noho ny fitiavantsika Azy aza. Inona avy ireo safidy azontsika atao sy tokony hataontsika isan'andro mba hanamafisana ny fitiavantsika an'Andriamanitra? Etsy ankilan'izany, inona ny safidy izay hamono izany fitiavantsika izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal