Sarotra mandrakariva ny miatrika ny olana mahakasika ny firaisana ara-nofo. Sarotra izany ho an'i Paoly, ary sarotra ho antsika koa. Ao anatin'ny toe-javatra tahaka izany, dia tokony ho mahatoky amin'ny Soratra Masina isika ka hiresaka momba ny toe-javatra amim-pivavahana sy amim-pitiavana. Aoka hotsaroantsika mandrakariva fa fanarenana no tanjontsika.
Vakio indray ny 1 Kor. 5:1-13. Ahoana no nilazan'i Paoly tamin'izy ireo mba hamaha ny olana tao anatin'izany toe-javatra izany?
Ambaran'i Paoly mazava tsara ao amin'ny 1 Kor. 5 fa mitaky ny fampiharana ny fitsipika mifehy ny fiangonana ny toe-javatra mamohehatra mahakasika ny firaisana ara-nofo. Nambarany fa tokony tsy ho ao amin’ny fiangonana ilay lehilahy nandry tamin’ny renikeliny (1 Kor. 5:2), tokony hotsaraina koa izy (1 Kor.5:5) hatolotra ho an'i Satana ary "hesorina" (1 Kor.5:13). Nilaza tamin'ireo mambran'ny fiangonana izy "mba tsy hiharoharoanareo" amin-dralehilahy (1 Kor. 5:9) na "miara-mihinana" aminy akory aza (1 Kor. 5:11), Mety mahery vaika ho an'ny sofin'ny olona amin'izao vanim-potoana izao ny teny nampiasain'i Paoly, nefa azo antoka fa takatry ny olona tao anatin'ny tontolon-kevitra ara-tantara tamin'ny androny izany. Ary tokony hotsaroantsika koa fa fomba fiaina feno fahotana miharihary no resahina eto. Ilaina ny miteny mahery ao anatin'ny fiatrehana olana goavana. Ao anatin'izany anefa, dia manampy antsika ny fanazavana fohifohy momba ny fiteny sasany nampiasainy.
"Mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany."-1 Kor. 5:2 sy ny 1 Kor. 5:13. Manondro ny famaizan'ny fiangonana izany.
"Hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana."- 1 Kor. 5:5. Noho ny tsy nifidianan'io lehilahy io ny ho eo ambany fiarovan Andriamanitra amin'ny alalan'ny fiainam-pankatoavana Azy, dia ho mora resin'i Satana izy. Noho izany, io fomba fiteny io dia manana hevitra toy izao: "aoka izy hijinja ny vokatry ny fanapahan-keviny."
"Mba tsy hiharoharoanareo"- 1 Kor. 5:9, 11 "aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany hianareo."- 1 Kor. 5:11. Ny fiharoharoana amin'ny olona maloto fitondrantena dia noheverina fa mampidi-doza satria mety hanana hery miasa mangina eo amin'ny hafa izy ka hanahaka ny fitondrantenany koa izy ireo. Tamin'ny andro fahiny, ny fiarahana misakafo dia midika ho fananana soatoavína mitovy. Isika rehetra dia mety handairan'ny hery miasa mangina manodidina antsika ka tokony hiaro tena araka izay azo atao, indrindra indrindra manoloana ny toe-javatra tahaka izao.
hamon "Mba hamonjena ny fanahy"- 1 Kor. 5:5. Natao hanarenana ny olona ny famaizana ataon'ny fiangonana. Nokendrena hamerin-tsaina ny mpanota izany ka hahatonga azy hahafoy ny fomba fiaina feno fahotana. Azo inoana tokoa fa izany no tian'i Paoly hambara amin'ny hoe "hanimbana ny nofo." Azo heverina koa anefa fa io lehilahy nandry tamin'olom-pady, ao amin'ny 1 Kor. 5 io, ilay lehilahy voalaza fa nibebaka taty aoriana (jereo ny 2 Kor. 2:5-10). Mahatratra ny tanjona kendreny ny fampiharan'ny fiangonana fitsipika rehefa miverina ho isan'ny mpianakavin'ny finoana indray ilay mambra nania.