Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - Ny fanambaran’i Nikodemosy

Daty
Alakamisy 24 October 2024

Vakio ny Jao. 3:1-21. Manohana lay lohahevitra voizina ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny fanambaran'i Nikodemôsy: amin'ny fomba ahoana?

Mpampianatra nohajaina teo amin'ny Isiraely i Nikodemôsy, ary mambran'ny Synedriona izay nanan-karena. Mitana toerana lehibe ao amin'ny filazantsaran' i Jaona ny fanambarany noho ny antony maro. Nantsoiny hoe "Raby" i Jesôsy, ary noresahiny ny amin’ireo famantarana nataon'i Jesôsy izay manaporofo ny maha-avy amin’Andriamanitra ny asany. Dia toy izany no nanomezan’i Nikodemôsy porofo manohana ny maha-Mesia an'i Jesôsy, na dia tsy mbola fantany akory aza fa nanao izany izy.

Noraisin'i Nikodemôsy ho porofon'ny maha-avy amin'Andriamanitra ny asan'i Jesôsy ireo famantarana ireo, saingy tsy hitany fa nanondro an'i Jesôsy ho fahatanterahan'ny faminaniana ao amin'ny TT momba ny Mesia ireo. Koa nisy fisalasalana tao aminy raha tonga nanatona an'i Jesôsy izy. Tsy nanaiky ani Jesôsy ho Kristy izy tamin'io fotoana io.

Vakio ny Jao. 3:3-21. Inona no nambaran'i Jesôsy tamin'i Nikodemôsy mba hanehoana fa afaka namaky ny tao an-tsainy Izy?

Mahafantatra ny ao am-pon'ny olona tsirairay i Jesôsy. Toa mivantambantana no fahitana ny famalin'i Jesôsy an'i Nikodemosy, kanefa notsoriny ny resaka. Ninoan'ny Jiosy fa mila miova fo ny Jentilisa, kanefa maro tamin'ireo Jiosy ireo no tsy nahatakatra fa ny tenany koa, izay vahoaka voafidy, dia nila izany fiovam-po izany. Tsy misy olona voavonjy hatramin'ny nahaterahany izany, na inona na inona firazanany na fiangonana nahalehibe azy.

Tsy isalasalana fa maro ny tombon-tsoan'ny Jiosy, noho ny halehiben'ny lovany izay fantatra hatramin'ny tantaran'i Abrahama (Rôm. 3:1,2). Kanefa tsy ampy raha izany fotsiny. Izay tsy hain'i Nikôdemôsy nosainina no nambaran'i Jesôsy taminy, dia ny tsy maintsy hahaterahany indray avy any ambony, izy izay mpampianatra sy mpanapaka ny Isiraely!

Dia nasehon'i Jesôsy an'i Nikodemôsy ny tsy fahalalany ara-panahy: "Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?" - Jao. 3:10. Ahoana no tsy hahaizanao izany kanefa mpampianatra ambony sy hajaina ianao? Inoana fa nanindrona izany teny izany.

Na nametra-panontaniana maro momba an'i Jesôsy aza i Nikodemôsy tamin'io fotoana io, dia niandany ho isan'ny mpanara-dia an'i Jesôsy ihany izy taty aoriana (Jao. 19:39).

Inona no hevitry ny hoe: "ateraka indray", ary nahoana no notsindrian'i Jesôsy tsara izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal