Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 2:1-11; Jer. 17:9; 4:8; 1 Kôr. 8:2: Ram. 8:3; Heb. 2:14-18.
Tsianjery: "Dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra." - FiI. 2:2
"Ny firaisan-kina no hery." Ny fahafantarana ny fahamarinan'izany anefa Ntsy midika ho fampiharana azy. Imbetsaka isika no tsy mahomby na dia manao ny ezaka tsara indrindra aza mba hisian'ny firaisan-tsaina. Izany anefa tsy midika ho finiavana handrava ny firaisana. Tsy mahagaga, araka izany, raha toa i Paoly nanohy nanoratra ho an'ireo Filipianina; niriny ny hiraisan'izy ireo saina.
Ny fampianaran'i Jesôsy sy ny ohatra nasehony no ampiorenan'i Paoly ny lanjanlny firaisana. Lohahevitra hitantsika manerana ny Testamenta Vaovao izany, ary indrindra ao amin'ireo epistily nosoratany. Ny avonavona ary koa ny faniriana fatratra toeram-boninahitra sy fahefana tao am-pon'ny anjely iray tany an-danitra no tsimoka nipoiraniny fisaratsarahana eto amin'izao rehetra izao. Fihetseham-po izay nihanaka haingana izany na dia tao anatin'ny tontolo iray tonga lafatra aza (jereo ny Isa. 14:12-14). Rehefa izay, dia niorim-paka tao Edena izany, tamin'ny alalan'ny tsy fahafaliana tahaka izany koa manoloana ireo fitsipika napetrak'Andriamanitra ary noho ny faniriana hiakatra ho amin'ny toerana ambony kokoa noho izay efa notendren'Andriamanitra (Gen. 3:1-6).
Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny fototra ara-Baibolin'ny firaisana eo anivon'ny fiangonana; hifantohantsika manokana amin'izany ny fietren'i Jesôsy sy ireo lesona azontsika raisina avy amin'ny fibanjinana Azy ary ny fomba hahafahantsika mitombo ho amin'hy fanahafana Azy.