Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra

Daty
Alatsinainy 20 October 2025

ADY ANY AN-DANITRA

Takatr'i Josoa fa ampahany amin'ny ady lehibe lavitra ilay ady. Inona no fantatsika momba ilay ady izay andraisan’Andriamanitra anjara mihitsy? Vakio ny Apôk. 12:7-9, Isa. 14:12-14, Ezek. 28:11-19, ary ny Dan. 10:12-14.

Nofenoin Andriamanitra voary manan-tsaina izao tontolo rehetra izao, izay nomeny safidy malalaka. lo no fepetra ilaina mba hahafahan'izy ireo mitia. Afaka misafidy ny hitondra tena mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra na ny mifanohitra amin'izany. Nisy anjely iray mahery indrindra, i Losifera, nikomy tamin Andriamanitra, ary nitaona anjely maro niaraka taminy.

Samy miresaka momba io ady io ny Isaia sy ny Ezekiela, na dia misy mpandiníka sasany aza miezaka mametra ny hevitry ny Isaia 14 sy ny Ezekiela 28 ho mikasika ny mpanjakan'i Babylona sy ny mpanapaka iray tao Tyro fotsiny. Saingy misy famantarana mazava omen'ny Baiboly, izay manondro tontolo iray ankoatra ity hita maso ity. Ambara ho tany an-danitra teo amin'ny seza fiandrianan Andriamanitra ny mpanjakan'i Babylona (Isa. 14:12,13), ary ny mpanjakan'i Tyro kosa voalaza fa nitoetra tao Edena tamin'ny naha kerobima manaloka azy teo amin'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra (Ezek. 28:12-15). Tsy misy amin'ireo voalaza ireo marina momba ny mpanjakan'i Babylona sy Tyro.

Tsy azo ilazana ny amin'ireo mpanjaka teto an-tany koa ny hoe "tsy nanan-tsiny" izy ireo ary "mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika". Noho izany dia manondro mihoatra lavitra noho ny fanjakan'i Babylona sy Tyro ara-bakiteny izany.

Manao "fanoharana" (teny hebreo: mashal) i Isaia, izay mivoy hevitra mihoatra lavitra noho ny toe-javatra ara-tantara nisy tamin'izany fotoana izany. Eto, ny mpanjakan'i Babylona dia manjary ohatry ny fikomiana, ny fihamboana ho mahavita tena, ary ny avonavona. Toy izany koa, navahan'i Ezekiela ny mpitondra an'i Tyro (Ezek. 28:2, DIEM) sy ny mpanjakan'i Tyro (Ezek. 28:11,12), ka ilay mpitondra izay niasa teto an-tany, dia manjary tandindon'ilay mpanjaka izay miasa any amin'ny tontolo any an-danitra.

Araka ny voalaza ao amin'ny Dan. 10:12-14, ireo voary any an-danitra mpikomy ireo dia manakana ny fikasan'Andriamanitra tsy ho tanteraka eto an-tany. Ao anatin'izany fifandraisana misy eo amin'ny lanitra sy ny tany izany no tokony hahatakarantsika ireo ady nasain'Andriamanitra natao teo amin'ny Isiraely. Fisehoan'ny fifanandrinana lehibe ifanaovan'Andriamanitra sy i Satana, ary ny tsara sy ny ratsy, no tokony handraisantsika izany- ka ny tanjona faratampony amin'izany dia ny hampanjaka indray ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra eto amin'ity tontolo lavo ity.

Amin'ny fomba ahoana no ahitantsika, eo amin'ny manodidina antsika sy eo amin'ny flainantsika manokana, ny maha-zava-misy io fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal