Vakio ny Lio. 2:36-38 ary ny Asa. 21:9. Inona no ambaran'ireo amintsika momba ireo vehivavy mpaminany?
Tamin'ny andron'ny TT dia niantso lehilahy sy vehivavy hitondra ny hafany Andriamanitra. Misy porofo mazava ny amin'ny fisian'ireo vehivavy mpaminany tamin'ny andron'ny TV. I Ana no voalohany nantsoina hoe "mpaminanivavy" ao amin'ny TV. Voalaza fa "nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina izy. Ary (...) nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy (...)" - Lio. 2:37,38.
Voalaza ao amin'ny Asa. 21:9 fa "nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany" i Filipo. Ireo mpahay tantaran'ny Testamenta Vaovao, toa an'i Eusèbe, dia nahita lahatsoratra nosoratana tatỳ aoriana izay milaza ny toerana mety ho nonenan'izy ireo sy ny nandevenana azy. Na ahoana na ahoana, vehivavy mpaminany, izay azo antoka fa zatovovavy, nanana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana, no hitantsika eto. Tsy fantatsika marina ny faminaniana nambaran'izy ireo na ny velaran'ny asany. Ny fantatsika momba ireo zatovovavy nanana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana ireo kosa dia ity: tsy nampidirina ho isan'ny Baiboly ny teny faminaniana nataony. Misy mpaminany marina maro hafa koa toa azy ireo.
Ankoatra ireo mpaminanivavy dia nisy mpitandrina tanora niara-niasa akaiky tamin'ireo apostoly. Nanofana mpitarika tanora ho amin'ny fanompoana ireo apostoly. I Paoly, ohatra, dia nilaza momba an'i Timoty hoe: "tena zanako amin'ny finoana" - 1 Tim. 1:2 (jereo koa ny 1 Tim. 4:12). Nampianarin'i Paoly an'i Timoty ireo fahalalana fototra momba ny fanompoana amin'ny maha mpitandrina. Hoy izy momba ny fiantsoana azy: "Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo" - 1 Tim. 1:18.
"Tena zanako araka ny finoana iombonantsika" no ilazan'i Paoly an'i Titosy ao amin'ny Tit. 1:4. Nomen'i Paoly andraikitra i Titosy hanendry mpitarika ho an'ireo mpino tany Kreta, izay fiangonana feno olana. Nanome torohevitra ara-panahy ho an'i Titosy zatovo izy mikasika ny fomba hanatanterahana izany andraikitra lehibe izany, ary avy eo nofaranany hoe: "Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao." - Tit. 2:15.
Na tanora, na antitra, na lehilahy, na vehivavy — isika rehetra dia samy manana anjara azo tanterahina ho an'ny asan'Andriamanitra. Inona no anjaranao, ary ahoana no ahafahanao manao mihoatra noho izany aza?