Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Fianarany fanampiny

Daty
Zoma 24 January 2025

Vakio "Ny tena fahasambarana", toko faha-2 ao amin'ny boky SAMBATRA.

"Koa hohamarinina sy hohatanjahina amin'ny fibanjinany an'i Kristy izay rehetra mahatsapa ny tena fahantrany am-panahy ary mahatsiaro fa tsy misy na inona na inona tsara ao aminy. Hoy ny Tompo: 'Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entanaMat. 11:28. 
Mangataka anao hanakalo ny fahantranao amin'ny haren'ny fahasoavany Izy. Tsy mendrika velively ny holalain’Andriamanitra isika, fa i Kristy, Ilay Tokintsika, no mendrika, sady afaka tanteraka hamonjy izay rehetra manatona Azy. Na toy inona na toy inona haratsin'ny toe-piainanao tamin'ny lasa, ary na manao ahoana na manao ahoana haben'ny hakivianao mahita ny ankehitriny, raha mety manatona an'i Kristy amin'izao toetranao malemy sy osa ary very hevitra izao ianao, dia hanoro lala-malalaka hahafahanao Ilay Mpamonjy tia, ka hisakambina anao amin'ny sandrim-pitiavany, ary hanafy anao amin'ny akanjom-pahamarinany.

Voatafy akanjo fotsy no hitondrany antsika miseho eo anatrehan'ny Rainy. Ilay toetrany madio tsy misy pentina mihitsy no atafiny antsika ary toa izao ny fitarainany: 'Ray marina ô  nisolo voina an'ity mpanota ity Aho. Aza ny firenireneny no jerenao, fa Izaho jerena. Eny, na dia hiantsoantso hiampanga antsika aza i Satana, ka hitory antsika ho mpanota, ary hilaza antsika ho zanany, ny ran'i Kristy dia manan-kery be lavitra hiady ho antsika." - S, tt. 12, 13.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Jereo ny fanambaran'ny Fanahin'ny Faminaniana etsy ambony momba ny fanehoana antsika eo anatrehan'ny Ray noho ny amin'i Jesôsy. "Voatafy akanjo fotsy no hitondrany antsika miseho eo anatrehan'ny Rainy. Ilay toetrany madio tsy misy pentina mihitsy no atafiny antsika." Mety ho kivy isika indraindray noho ireo fahadisoana sy tsy fahatanterahantsika, na koa matetika isika no tsy maneho amin'ny hafa ny fitiavana izay arotsak'Andriamanitra amintsika, nahoana anefa isika no tokony hahatsiaro mandrakariva ny vaovao mahafaly fa eken'ny Ray isika satria i Jesôsy no mampitafy antsika Ilay toetrany madio tsy misy pentina?

2. Alao sary an-tsaina ny fihetsehampon'ilay renim-pianakaviana tao anatin'ilay tantaran'ny vehivavy anankiroa nankeo amin'i Sôlômôna mba hilaza fa azy ilay zaza teny an-trotroany. Diniho indray ny fomba fiteny feno fihetseham-po ao amin'ny 1 Mpanj. 3:26. Ahoana no anasongadinan'izany ny fomba fiteny ampiasaina hoenti-milaza ny fihetsehampon'Andriamanitra manoloana ny olony, ao amin'ny Hôs. 11:87

3. Hitantsika manerana ny Filazantsara fa matetika i Jesôsy no onena ny vahoaka noho ny fahorian'izy ireo. Inona no nataony teo anatrehan'izany? Nataony izay hanomezana ny zavatra nilain'ny olona. Inona avy ireo fomba azonao atao, ianao manokana na ny kilasinao, mba hanomezana ny zavatra ilain'ireo mila fanamaivanana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal