Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Mahari-po sy miantra

Daty
Alakamisy 23 January 2025

Be fahari-po sy fiantrana ilay Andriamanitry ny Baiboly, ary ao amin'i Jesôsy Kristy no isehoan’ireo fihetsehampon’Andriamanitra ireo faratampony indrindra. Miray fo amintsika Andriamanitra (ampitahao amin'ny Isa. 63:9; Heb. 4:15); mahakasika Azy lalina ny fahorian'ny vahoakany (Mpits. 10:16; Lio. 19:41), ary vonona Izy ny hihaino sy hamaly ary hampionona azy ireo (Isa. 49:10,15; Mat. 9:36; Mat. 14:14).

Vakio ny 1 Kôr. 13:4-8. Ahoana no anasan'ireo andalan-teny ireo antsika haneho taratra ny fitiavan'Andriamanitra mahatalanjona sy feno fahari-po eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa?

Irintsika ny hanana fifandraisana amin'ny olona izay maneho ny karazam-pitiavana voalazan'ny 1 Kôr. 13:4-8. Impiry anefa isika no mikatsaka ny hampiseho ireo toetra ireo amin'ny hafa? Tsy haintsika samirery ny hamindra fo sy halemy fanahy; tsy haintsika ny mifehy tena tsy hialona na hirehareha, tsy hanao izay tsy mahamendrika na ho tia tena. Tsy haintsika ny hanana fitiavana izay "mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra" ary "tsy ho levona mandrakizay - 1 Kôr. 13:7,8. Tsy ho hita taratra eo amin'ny fiainantsika ny fitiavana tahaka izany raha tsy vokatry ny Fanahy Masina irery ihany. Ary isaorana Andriamanitra noho ny amin'ny Fanahy Masina izay mandrotsaka ny Fitiavany ao am-pon'ireo izay ao amin'i Kristy Jesôsy, amin'ny alalan'ny finoana (Rôm. 5:5).

Noho ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny herin'ny Fanahy Masina, ahoana no ahafahantsika manisy setriny sy maneho taratra ny fitiavan'Andriamanitra izay vokatry ny fihetsehampo lalina nefa ara-drariny sy feno fahendrena mandrakariva? :

-Voalohany, ny fiankohofana amin'ilay Andriamanitra fitiavana no valinteny mety indrindra ho an'izany.  
-Faharoa, ny fanehoana fangorahana sy fitiavana feno fahalalahan-tanana amin'ny hafa no tokony hasetrintsika ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy natao handray fampaherezana fotsiny isika ao amin'ny finoana kristianina fa tokony hazoto hampahery ny hafa koa. 
-Farany, tokony ho tsapantsika fa tsy mahay manova ny fontsika isika, Andriamanitra irery no mahay manao izany.

Noho izany, andeha isika hangataka amin'Andriamanitra mba hanomezany fo vaovao hitiavana Azy sy hitiavana ny hafa - fitiavana madio sy voadio izay manandratra ny tsara ary manaisotra ny akofa tsy ho ao anatiny.

Aoka ho tahaka izao ny vavaka asandratsika: "ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, (...) mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesôsy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra." - 1 Tes. 3:12,13.

Nahoana ny fahafatesana amin'ny tena sy amin'ny fitiavan-tena ary amin'ny faharatsian'ny fo nofontsika no hany fomba hahafahana maneho izany karazam-pitiavana izany? Inona ny safidy azontsika atao mba hahatonga antsika ho faty amin'ny tena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal