Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Ny fangorahan’i Jesôsy

Daty
Talata 21 January 2025

Ny karazam-panoharana sahala amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ihany no ampiasaina ao amin'ny Testamenta Vaovao mba hanehoana ny fiantran'Andriamanitra. Tondroin'i Paoly hoe "Rain'ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra" ny Ray (2 Kôr. 1:3). Ho fanampin'izany, dia hazavainy ao amin'ny Efes. 2:4 fa "manan-karena amin'ny famindrampo" Andriamanitra ary manavotra ny olombelona "noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika."

Any amin'ny fanoharana samihafa, i Kristy dia mamerimberina ny fampiasana ny teny mitory fihetsehampo mampangorakoraka sy mahonena mba hanehoana ny fiantran'ny Ray (Mat. 18:27; Lio. 10:33; Lio. 15:20). Ary ny fomba fiteny izay maneho ny fiantran'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao koa no ampiasaina ao amin'ny Filazantsara mba hanehoana ny fangorahan'i Jesôsy ireo ory.

Vakio ny Mat. 9:36; Mat. 14:14; Mar. 1:41; Mar. 6:34 ary ny Lio. 7:13. Jereo koa ny Mat. 23:37. Ahoana no anasongadinan'ireo toko sy andīniny Ireo ny fihetsehampo tsapan'l Kristy manoloana ny fahorian'ny olona?

Miverimberina hatrany ao amin'ny Filazantsara ny filazana fa onena ny olona ory sy mahantra i Kristy. Ary tsy onena azy ireo fotsiny Izy fa nanome izay nilainy koa.

Nitomany noho ny amin'ny olony koa i Jesôsy. Azo sary an-tsaina ny ranomaso teo amin'ny mason'i Kristy raha nitazana ny tanana Izy: "impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety hianareo!" - Mat. 23:37. Hitantsika eto fa mitovy amin'ny fitomanian'i Kristy ny fitomanian’Andriamanitra izay resahina manerana ny Testamenta Taloha. Maro ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly no manamarika fa ny sary nampiasaina tany amin'ny faritra Proche-Orient fahiny izay maneho vorona mikarakara ny zanany kely dia hoenti-maneho izay noheverina ho andriamanitra irery ihany. Maro no mahita ny famerenana ny sary an'ohatra ao amin'ny Deo. 32:11 eto, izay maneho an'Andriamanitra tahaka ny vorona manidintsidina eo ambonin'ny zanany sy miaro ary mikarakara azy.

Tsy misy ohatra lehibe maneho ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fangorahany antsika mihoatra noho i Jesôsy Izy ilay nanolotra ny ainy ho antsika tamin'ny alalan'ny fanehoam-pitiavana faratampony. Tsy hoe fanehoana tonga lafatra ny endrik’Andriamanitra fotsiny anefa i Kristy fa Môdely tanteraka ho an'ny taranak'olombelona koa. Ahoana no anahafantsika ny fomba fiainan'i Kristy ka hifantohantsika amin'ireo zavatra ilain'ny hafa, mba tsy hahatonga antsika hitory fotsiny ny fitiavan'Andriamanitra fa haneho Izany amin'ny fomba azo tsapain-tanana mihitsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal