Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 25 April 2025

Vakio ny Isa. 44:24-45:13.

"Tsikelikely, miafina ary mangina aloha vao mivelatra kokoa arakaraka ny fananany hery sy mpanohana no anohizan'ity 'zava-miafin'ny tsi-fankatoavan-dalana' ity ny asa fampiviliana ataony. Mila tsy ho tsapa akory ny nisokoan'ny fomba amam-panao jentilisa tao amin'ny fiangonana kristiana. Ny fironana hihavana sy hifanatona amin'izao tontolo izao dia nandamoka nandritra ny fotoana fohy, noho ny fivaivain'ny fanenjehana niaretan'ny fiangonana avy tamin'ny fanompoam-tsampy. Nefa raha vao niato ny fanenjehana, ary nahazo lalana hiditra tany an-drova sy tany amin'ny lapan'ny mpanjaka ny fivavahana kristiana, dia notakalozan'ny fiangonana ny rendrarendra sy ny avonavon'ireo mpisorona sy mpanompo sampy ny fahatsorana sy ny fanetren-tenan'i Kristy sy ireo apostoly ary koa ny fitakian'ny Tenin'Andriamanitra, tamin'ireo fampianarana sy lovan-tsofin'olombelona. Ny sarintsarim-piovam-pon'i Constantin, teo amin'ny fiandohan'ny taonjato fahefatra, dia niteraka fifaliam-be, ary niditra tao amin'ny fiangonana izao tontolo izao nitafy ny endriky ny fahamarinana. Hatramin'izay dia mandroso haingana ny asan'ny fahalotoana. Nanjary mpandresy ny fanompoan-tsampy izay toy ny resy. Nifehy ny fiangonana ny toe-tsainy. Ny foto-keviny, ny fombam-pivavahany sy ny finoanoam-poany dia tafaray tamin'ny finoana sy ny fanompoam-pivavahan'ireo izay milaza ho mpanaraka an'i Kristy." - HM, tt, 49,50.

Araka ny fanontaniana ao amin'ny faran'ny lesona Alarobia, tsy tandindomin-doza avokoa ve isika hanakalo "ny fahatsorana sy ny fanetren-tenan'i Kristy sy ireo apostoly amin'ny voninahitra, ny fahefana sy ny dera ary ny fakam-panahy arentirentin'izao tontolo izao? Raha mihevi-tena ho tsy tandindomin-doza isika, dia mamitaka ny tenantsika.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nataon'Andriamanitra sesitany tany Babilona ny vahoakany, ary fotoana nampahory indrindra izany. Nantsoina handao ny tany Kaldea i Abrahama mba hanangana ny vahoakan'ny fanekena, izay ho fahazavana ho an'ny tany manontolo, kanjo lasan-ko babo izao izy ireo. Nasehon'Andriamanitra ny Isiraely nandritra ny fahababoany izay ho nitranga raha nahatoky izy ireo. Nanatona an'i Kristy i Nebokadnezara, izay mpanapaka teo anivon'ny rafitra nifanohitra tanteraka tamin'ny an'Andriamanitra (Dan. 4). Nanangana mpanjaka persianina iray Andriamanitra tamin'ny fiafaran'ny fahababoan'izy ireo, nataony tandindon'i Kristy, nanafaka ny vahoakany tamin'i Babilona sy namerina azy ireo ho any amin'ny Tany nampanantenaina. Tsy Isiraelita i Kyrosy, kanefa nofidin'Andriamanitra haneho amin'izao tontolo izao ny drafi-panavotan'Andriamanitra izy rehefa nampody ny vahoakan'ny fanekena tao Jerosalema. Nampiasa olona ivelan'ny İsiraely Andriamanitra hanatrarana ny tanjony; inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany momba ny fihevitr'Andriamanitra ny taranak'olombelona?

2. Mety tsy ho ao Babilona isika, kanefa Babilona toy ny ahoana no mety ho ao anatintsika? Ahoana no amantarantsika izany olana izany, ary avy eo, ahoana no ahafahantsika miova?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal