Vakio ny Heb. 1:1,2. Nahoana Andriamanitra no liana dia liana amin'ny fitenenana amintsika? Inona no ambarany amintsika amin'ny alalan'i Jesôsy sy ireo mpaminany?
Inona no tian'ilay Mpamorona izao rehetra izao hambara amintsika? Nahoana Izy no mifandray amintsika? Satria isika olombelona lavo miaina ao anatin'ny tontolo feno fahotana, ka miatrika fahafatesana, fijaliana ary fitsapana maro. Noho izany dia miteny amintsika Andriamanitra, satria tiany ho fantatsika ny antony maha eto antsika, ny antony maharatsy sy mahasarotra ny zava-misy eto amin'izao tontolo izao, ary koa ny antony ahafahantsika mbola manana fanantenana ao amin'ny fitiavany, na eo aza izany rehetra izany.
Ny fanambarana ankapobeny avy amin'Andriamanitra, izay hita ao amin'ny zavaboary, dia maneho mazava ny heriny tsy manam-petra sy ny fitiavany feno fiahiana antsika. Niloa-bava i Davida mpanjaka hoe: "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany." - Sal. 19:1. Nanampy izany ny apostoly Paoly hoe: "Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo." - Rôm. 1:20.
Mahagaga koa ny misaintsaina ny herin'Andriamanitra mamerina amin'ny laoniny, izay miseho eo amin'ny fanasitranana feno zava-miafina ataony eto amin'ny tontolo misy antsika. Eny tokoa, "manana hery manasitrana izay miasa amin'ny voary manontolo Andriamanitra. Raha tapaka ny hazo iray, na maratra na koa tapa-taolana ny olona iray, dia manomboka ny fitsaboana izany ratra izany ny natiora. Efa vonona ny fanasitranana na dia mbola tsy miseho akory aza izany ratra izany, ary vantany vao misy ampahany maratra dia mitodika ho amin'ny asa famerenana amin'ny laoniny avokoa ny hery rehetra." - FK, t. 123.
Na tsara tarehy sy feno fampianarana aza ny tontolo voajanahary, dia tsy ny herin'Andriamanitra sy ny fitiavany ihany no hita eo aminy, fa ny fisian'ny ratsy koa (jereo ny Gen. 3:14-19; Mat. 13:24-30). Toa manana hevi-droa izany hafatra izany ka tsy ho takatra araka ny tokony ho izy raha tsy ampifandraisina amin'ny fanambarana manokana avy amin'Andriamanitra – izay ataony ao amin'i Jesosy Kristy, ilay Tenin'Andriamanitra tonga nofo, ary ao amin'ny Baiboly, ilay Tenin'Andriamanitra voasoratra izay manambara Azy (Jao. 5:39).
Ny Soratra Masina no fandraketana ny hafatra avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra ho an'ny taranak'olombelona amin'ny vanim-potoana rehetra. Izy no mitantara amintsika ny famoronana izao tontolo izao sy ny fahalavoana mahatsiravina tao amin'ny fahotana, ary koa ny drafi-panavotana mahagaga nataon'Andriamanitra sy ny famerenana ity tany ity amin'ny laoniny amin'ny farany. Mety ho fohy sy notsongatsongaina ny tantara sasany ao amin'ny Baiboly, nefa azo itokiana ireny satria Andriamanitra no miteny amintsika (jereo ny 2 Tim. 3:16; 2 Pet. 1:19-21).
Na dia mitory amin'ny fomba azo antoka ny herin'ny Mpamorona sy ny fitiavany aza ny zavaboary, nahoana isika no mbola mila hatrany ny Teny voasoratra? Inona no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra amintsika izay tsy azon'ny zavaboary samirery ambara amintsika?