Vakio ny 1 Kor. 10:5-22. Nahoana no tsy maintsy andosirantsika ny fanompoan-tsampy?
Averin'i Paoly resahina ao amin'ny 1 Kor. 10:14-22, ny momba ny hanina naterika tamin'ny sampy. Mety ho hafahafa amin'ny kolontsaina maro ankehitriny ny fanaterana hanina ho an'ny sampy, saingy fanao mahazatra tamin'ny andron'ny Baiboly izany. Rehefa natao sorona ho an'ireo andriamanitra tany amin'ireo tempoly mpanompo sampy ny biby, dia nisy ampahany tamin'ny henan'ilay biby nomena ny mpisorona nanao ny fanompoam-pivavahana, ary avy eo ny mpisorona nivarotra ilay hena. Koa misy tonga eny an-tsena izany hena izany. Tsy miavaka amin'ireo hena hafa amidy eny an-tsena izany, koa mety hividy tsy nahy hena naterina tamin'ny sampy ny Kristianina. Izao no torohevitry ny apostoly: azon'ny Kristiania atao tsara ny mividy hena toy izany.
Na azon'ny Kristianina hohanina any an-tranony aza anefa ny hena toy izany (1 Kor. 8:1-13), ny fandehanana any amin'ny tempoly mpanompo sampy sy ny fandraisana anjara amin'ny lanonan'izy ireo kosa dia voarara mazava tsy hataon'ny Kristianina. Mazava ny fepetra: azon'ny Kristianina atao ny mihinana izany hena izany any an-tranony satria tsinontsinona ny sampy (1 Kor. 8:4); nefa tsy maintsy miala amin'ny fombafomba mpanompo sampy ny Kristianina satria mitovy amin'ny fivavahana amin'ny demonia izany (1 Kor. 10:20,21). Ny fandraisana anjara amin'ny fombafomba mpanompo sampy dia mitovy amin'ny fiombonana amin'ny demonia (1 Kor. 10:20), tahaka ny maha-fiombonana amin'i Kristy ny fandraisana anjara amin'ny Fanasan'ny Tompo (1 Kor. 10:16).
Koa hoy i Paoly: «Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.» - 1 Kor. 10:21. Araka ny nolazan'i Jesôsy hoe: «Tsy misy olona mahay manompo tompo roa» - Mat. 6:24.
Mampianatra i Paoly fa fanoloran-tena tanteraka no takin'Andriamanitra. Lazainy fa "mampahasaro-piaro ny Tompo" ny fanompoan-tsampy 1 Kor. 10:22. Mba tsy hitrangan'izany, dia nanome fitsipika tsy azo iadian-kevitra manohitra ny fanompoan-tsampy i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 8:4-6, amin'ny fampahatsiahivana ny voalazan'ny Deo. 6:4,5: "Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehôvah iray ihany. Ary tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra." Ho fanampin'ny tokony hitiavana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra, dia hoy koa i Jesôsy: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" - Mar. 12:31; (jereo koa ny Lev. 19:18).
Tsy voatery ho sarivongana mandrakariva ny sampy. Azontsika atao sampy avokoa ny zavatra rehetra na inona na inona. Inona avy ireo sampy, raha misy, izay tokony handosiranao eo amin'ny fiainanao?