Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 31 January 2025

Vakio ny PM, toko 28: "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay.

Izao no nosoratan'i Ellen G. White momba ny fahotan'ny Zanak Isiraely tamin'ny nanamboarany ilay ombilahy kely volamena: "Meloka tamin'ny fivadihana 'ilay Mpanjaka tamin'ilay nampanantenainy ekena sy arahina an-tsitrapo ny Isiraely. Tsy maintsy nofaizana ny mpamadika mba hampijoroana ny fitondram-panjakan Andriamanitra. Eto dia nampiseho ny indrafony tamin'ny fanomezana ny tsirairay avy hisafidy malalaka sy fotoana hibebahana Andriamanitra, nefa koa tsy nanimba ny fahefana ananan'ny lalána navoakany. Ireo izay nikiribiby tamin'ny fahotana nataony ihany no novonoina."

"Nilaina mihitsy ny hamaizana io fandikan-dalàna io mba hanehoana amin'ny firenena mano-didina azy ny tsy fankasitrahan'Andriamanitra ny fanompoan-tsampy. Ankoatra izany, raha niampanga ireo firenena nanodidina azy ny Zanak'Isiraely taty aoriana noho io heloka io, ary ireo kosa niampanga azy fa niankohoka nivavaka tamin'ny ombilahy kely tao Hôreba, dia ho tsaroany amin'ny alalan'io zava-niseho io ny anjara mahatsiravina nahazo ny mpandika lalàna ary hanaporofo amin'izany fa tsy nankasitrahana akory na azo nalan-tsiny io heloka io.

"Mifandanja tsara anefa na ny fitiavana na ny fahamarinana nenti-nanao ny famaizana tao Hôreba. (...) Noho ny famindrampony (famindrampon’Andriamanitra) dia olona an'arivony no nofaizin'Andriamanitra, mba tsy hahavoatery Azy hamely olona an-tapitrisany aty aoriana. Olom-bitsy no nofaizina mba hamonjena ny maro."-PM, tt. 311,312.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Araka ny hevitrao, nahoana no manahiran-tsaina ny maro ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra? Inona no manampy anao hahatakatra tsara izany?

2. Inona ny olana mpitranga rehefa ny olona no manao valifaty, kanefa tsy mitranga velively rehefa Andriamanitra no mamaly?

3. Ohatra maneho ny famindrampon'Andriamanitra koa ny famaizany ny Zanak'lsiraely taorian'ny nikomian'izy ireo ka nanamboarany ilay ombilahy kely volamena; amin'ny fomba ahoana? Inona koa ireo ohatra hafa ao amin'ny Soratra Masina, izay mampiseho fa na ny fitsaran’Andriamanitra aza dia fanehoam-pitiavana?

4. Na dia takatsika tsara aza fa ara-drariny ny fahatezeran'Andriamanitra manoloana ny faharatsiana, ary amim-pahamarinana tanteraka no anaovany fitsarana, nahoana no tsy azontsika atao ny manameloka ny hafa? Ifanakalozy hevitra ny amin'izany eo am-pandinihana manokana izay voalaza ao amin'ny 1 Kôr. 4:5.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (37)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal