Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Malain-ko tezitra Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 27 January 2025

Tezitra amin'ny ratsy Andriamanitra satria fitiavana Izy. Be fiantrana sy be fahasoavana tokoa Andriamanitra, ary nisy mpaminany iray aza ao amin'ny Baiboly, nanome tsiny an'Andriamanitra satria mahari-po sy be famindrampo loatra Izy!

Jereo ny tantaran'i Jônà ao amin'ny Jônà 4:1-4, ka diniho ny fihetsiny manoloana ny fiantran'Andriamanitra ny Ninivita ka namelany ny helok'izy ireo. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika an'i Jônà sy mikasika an'Andriamanitra? (jereo koa ny Mat. 10:8.)

Mifamatotra ny fitiavana sy ny fahamarinana, araka ny Baiboly. Manambara zavatra roa lehibe ny fihetsik'i Jônà teo anatrehan'ny famindrampon'Andriamanitra. Voalohany indrindra, maneho ny hamafin'ny fon'i Jônȧ izany. Halany loatra ny Asirianina noho ny nataony tamin'ny Isiraely hany ka tsy tiany ny hamindran'Andriamantra fo amin'izy ireo.

Lesona lehibe ho antsika izany! Mila mitandrina isika tsy hanana toetra tahaka ny an'i Jônà, na mitombina toy inona aza izany. Ireo izay efa nandray fahasoavana avy amin'Andriamanitra no tokony hahatsapa, mihoatra noho ny hafa rehetra, fa atolotra an'izay tsy mendrika izany velively ny fahasoavana, koa tokony ho vonona hizara fahasoavana amin'ny hafa izy ireo.

Faharoa manaraka izany, ny fihetsik'i Jônà dia manamafy fa toetra fototra ananan’Andriamanitra ny famindrampo sy ny fahasoavana. Diso fantatr'i Jônà loatra ny famindrampon’Andriamanitra - satria, araka ny tsindriany manokana, Andriamanitra dia "mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo" - Jônà 4:2 - ary fantatr'i Jônà fa hanenina ny amin'ny loza nokasainy hahatra amin'i Ninive Izy.

Azo adika ara-bakiteny hoe "lava orona" ny teny hebreo nadika hoe "malain-ko tezitra" na "mahari-po". Araka ny fomba fiteny hebreo dia ampifandraisina ara- panoharana amin'ny orona ny fahatezerana, ka ny halavan'ny orona no anehoana ny faharetan'ny olona manindry fo mandra-pahatezitra azy.

Koa maneho ny fahari-pon'Andriamanitra sy ny famindrampony ny filazana Azy ho "lava orona". Mora tezitra ny olombelona, Andriamanitra kosa feno faharetana sy fahari- po, ary mandrotsaka maimaimpoana ny fahasoavany manana amby ampy; saingy tsy manamarina ny fahotana na manampi-maso manoloana ny tsy fahamarinana Izy. Andriamanitra mihitsy no nahafoy ny ainy sy nisolo antsika teo amin'ny hazo fijaliana ho fanavotana antsika, mba ho marina sady mpanamarina ireo izay mino Azy Izy (Rôm. 3:25,26).

Ela nataonao ve izany hoe tsy mamindra fo na miantra ny olona nanisy ratsy anao izany? Ahoana ny fomba tsy hanadinoanao izay nataon'Andriamanitra ho anao mba hahatonga anao ho tsara fanahy kokoa amin'ny hafa, noho ny fahatsapanao ny fahasoavana ma nana amby ampy narotsak’Andriamanitra taminao? Ary ahoana no ahaizantsika mamindra fo sy miantra kanefa koa tsy manome vahana ny fahotana na ny fanararaotana na ny fampahoriana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal