Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 26 April 2025

NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA 2Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 2:9-17; Dan. 2:31-35; Isa. 17:12, 13; Dan. 7:1-3; Rôm. 3:10-19; Apôk. 12:15,16; Apôk. 10:1-11.

Tsianjery: "Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho." Sal. 46:10.

Nandritra ny taonjato maro dia nisy olona nilaza fa nirin'Andriamanitra N mihitsy ny Fahalavoana, ka fikasany ny hahalatsaka ny olombelona ao amin'ny fahotana sy ny fahafatesana, mba hahatonga Azy tsy maintsy ho faty- ao amin'ny Tenan'i Jesôsy - eo amin'ny hazo fijaliana. Ahoana rahateo moa no ahafahany mampiseho ny halalin'ny fitiavany ny olombelona amin'ny fomba mahery vaika sy mazava raha tsy amin'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana ho azy ireo? Toy izao ilay hevitra raha fintinina: nilain'Andriamanitra ny fahalavoan'ny olombelona.

Mamohehatra sady mahonena izany fiheverana izany. Tsy tao anatin'ny fikasan'Andriamanitra velively ny hahalavo an'i Satana na ny olombelona.Toe-javatra mampalahelo nahatonga loza lehibe tokoa ny fikomian'i Satana, avy eo ny olombelona, ary ho tsy nisy nanombinana ny fahasambarantsika tao amin'Andriamanitra raha tsy lavo ny ray aman-drenintsika voalohany.

Mbola hodinihintsika amin'ity herinandro ity ireo olana nateraky ny Fahalavoana sy ny faniriana fitondram-panjakan'olombelona fa tsy ny an'Andriamanitra. Aseho amin'ny fomba miezinezina ao amin'ny bokin'i Daniela izany fahamarinana izany, izay mampiseho fa marina Andriamanitra rehefa nampitandrina ny vahoakany momba izay hitranga rehefa miala Aminy izy ireo ka misafidy mpanjaka eto an-tany. Azon'izy ireo tokoa izay nangatahiny: mpanjaka eto an-tany, mpanota manjaka amin'ny mpanota - tsy tsara na oviana na oviana io fitambarana io.

*Famerenana ny lesona ny sabata 03 Mey.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal