Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena

Daty
Alahady 02 November 2025

NY FIVADIHANA AMIN'NY FANEKENA 

Vakio ny Jos. 7. Inona ireo antony roa lehibe nahatonga ny faharesen'ny Isiraely teo anoloan'ny mponina tao Ay?

Mahaliana ny mahita fa hatrany am-piandohana dia fantatry ny mpamaky ny anton'ny fahatezeran'i Jehovah, ary koa ny anaran'ilay nanao heloka. Araka izany, ny fitaintainana mifandraika amin'ny nahitana ny helok'i Akana dia ao amin'ny fifanoheran'ny fomba fijerin'ny mpamaky sy ny an'i Josoa ary ny an'ny Isiraelita. Manana rafitra "chiasme" ny Josoa toko faha-7, tahaka ny toko maro hafa ao amin'ny TT. Ny ampahany afovoany sy faratampony ao amin'io toko io no mamaly ny fanontaniana hoe: nahoana ny Isiraelita no tsy nahafaka an'i Ay tamin'ny fanafihany voalohany?

Antony roa no tena nahatonga ny faharesen'ny Isiraely teo anoloan'ny mponin'i Ay: ny fahotan'i Akana sy ny nitokian'ny Isiraelita tamin'ny herin'ny tenany. lo farany io no nahatonga azy ireo tsy nanontany ny sitrapon'i Jehovah talohan'ny nanafihana an'i Ay, sy nanambany ny herin'ny fahavalo.

Hitantsika ao amin'ny Jos. 7:1, 11-13, fa na i Akana ihany aza no nivadika tamin'ny fanekena ka naka tamin'ny zavatra voaozona, dia ny firenena manontolo no notanana ho tompon'andraikitra sy nizaka ny vokatry ny nafitsony. Nosoritsoritan'Andriamanitra ny fahotan'i Akana, ary nasehony miandalana ny halehibeny tamin'ny nampiasany ny fomba fiteny hoe "efa (...) sady (...) koa" (Heb. gam) ao amin'ny and. 11. Voalohany, ampiasainy ilay teny mahazatra indrindra ilazana ny ota: "khata". Avy eo, ilay fandikana ny fanekena dia soritsoritana amin'ny alalan'ny famaritana ota dimy hafa ialohavan'ny teny hoe gam: (1) abar, izay midika hoe "nanota, nivadika", (2) "fa efa naka" (laqakh) tamin'ny zavatra "voaozona" (kherem), (3) "sady nangalatra" (ganab), (4) "sy namitaka" (kakhash), ka (5) nataony (sim) tao amin'ny entany ny kherem.

Nahafaoka ny olony rehetra, na isam-batan'olona na amin'ny maha-vahoaka azy, ny fanekena nifanaovan'i Yahweh sy ny Isiraely. Araka ny fanekena, ny Isiraely dia fitambarana iray tsy azo sarahina, firenena voafidin'Andriamanitra; koa ny fahotan'ny anankiray, na ny an'ny vitsivitsy amin'ireo mambra ao aminy, dia mitondra fanamelohana ho an'ilay vahoakan'ny fanekena. Araka ny tenin'i Jehovah hoe: "Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany." - Jos. 7:11.

Amin'ny fomba ahoana no mety hijalian'ny fiarahamonina iray manontolo, na efa nizakan'ny filarahamonina fahoriana, noho ny asa ratsin'ny olona iray na vitsy ao anatin'izany fiarahamonina izany? Inona avy ireo ohatra efa hitanao, ary inona ny flantraikan'izany teo amin'ny flarahamonina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal